Alahady 25 Oktobra 2020

ISAIA 7.1-9

Manambana an’i Ahaza mpanjakan’i Joda i Rezina mpanjakan’i Syria sy i Peka mpanjakan’Israely eto , ka raiki-tahotra izy sy ny vahoakany . Tsy mangina manoloana izany Andriamanitra fa maniraka an’i Isaia hitondra ny Teniny . Ambarany àry hoe :

Minoa ny Tenin’Andriamanitra

1-Fa aza be fanahiana (and 4)

Eo anoloan’ny fangorohoroan’i Ahaza dia mampitony azy Andriamanitra manao hoe :  » mitandrema ka aza taitaitra foana , aza matahotra ary aoka tsy ho ketraka ny fonao« . Efa asehon’ Andriamanitra eto sahady fa tsy msy dikany akory ireo fanjakana roa mitady hananika ny fanjakan’i Joda ireo fa « tapaporohana roa midonaka » . Esonteny izany hilazana fa zinona ireo . Taomina koa ianao tsy hivadi-po eo anoloan’ny adinao , fa zinona eo anatrehan’Andriamanitra io fahavalonao io .

2-Fa Izy mandray an-tànana (and 7)

Tsy mijanona eo amin’ny fampitoniana fotsiny ny Tenin’Andriamanitra fa mitohy amin’ny fanomezana antoka fa tsy hahavita na inona na inona amin’ny Joda izay iandanian’Andriamanitra akory ireo fahavalo ireo . Na ahoana na ahoana fiaviny sy tetikady nomaniny , mazava ny antoka omen’ Andriamanitra : « tsy ho tanteraka izany ary tsy hisy izany  » satria Andriamanitra no miady ho an’ny vahoakany . Ianao koa , matokia an’i Jesoa izay miteny hoe : « minoa fotsiny ihany » (Mar 5.36)

3-Fa antoka hamonjen’ Andriamanitra izany (and 9)

Misongadina eto fa ny fahatanterahan’ireo voalaza teo ambony ireo dia ny finoana , matoanteny mitovy ihany no ampiasaina amin’ny hoe : « mino » sy ny hoe : « tafatoetra » fa ity farany ity amin’ny endrika iharana , izany hoe : raha tsy mino dia tsy hisitraka ny famonjena ataon’ Andriamanitra , raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe : Andriamanitra tsy mampitoetra izay tsy mety mino ny Teniny .

Fanontaniana :

Manao ahoana ny finoanao manoloana ny ambana mampanahy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV