Sabotsy 24 Oktobra 2020.
EZRA 10.1-8
Ny alahelon’i Ezra sy ny fifonany ho an’ny Jiosy izay hiverina avy any am-pahababoana ka nandika ny lalàn’Andriamanitra , ary naka vady tamin’ny tompontany no voalaza eto . Io toetran’i Ezra io no hampianarana izay rehetra mpitarika hoe :
MPITARIKA ianao
1-Sahia mifona ho an’ny olona tarihanao (and1)
Rehefa nahita ny fandikan-dalàna iEzra dia nalahelo ary nirotsaka an-tsehatra mihitsy izy hangata-pamelana ho an’ny olona teo . Naka vady tamin’ny tompontany mantsy ny olona sasany . Tsy hoe : sanatria mpanavakavaka akory Andriamanitra raha tsy mankasitraka izany fa antony ara-pivavahana no mahatonga izany , satria nanjary nanompo ny andriamanitry ny Kananita ny olona ary nanaraka ny fahavetavetany sy ny fahalotoany . Ianao koa , raiso ny andraikitra . Mivavaha ho an’ izay diso làlana tahaka ny nataon’i Jesoa izay nifona na dia ho an’ireo namono Azy aza .
2-Taomy hanova famindra ny olona tarihanao (and 2-5)
Tsy nijanona hatreo amin’ny fitondrana am-bavaka ny fandraisana andraikitr’ i Ezra , fa ny fihetsika nataony dia nahatonga ny olona hahatsiaro tena fa diso ka nibebaka , ary notarihan’i Ezra mba haneho mivaingana izany fiaikenkeloka izany ny olona ka nanao fanekena fa hanapaka ny fifandraisana amin’ny fahavzetavetana sy ny fanompoantsampy izy ireo .
3-Aoka ho hentitra amin’ny fitaizana ny olona (and 8)
Rehefa nandray fanapahankevitra sady nanao fanekena fa hiala amin’ny làlan-disony ny olona , dia tezain’ i Ezra kosa izy ireo eto mba hitana ny teny nomeny . Hentitra tsara ny and 8 , milaza ny zavatra miandry izay mivadi-panekena . Tsy midika akory izany hoe : manova didy jadona amin’ny maha-mpitarika anao , fa manana andraikitra hametraka arofanina ho an’izay tarihanao tsy hiverin-dàlana ho amin’ny fahotana ianao .
Fanontaniana :
Mpitarika ianao , manao ahoana ny fandraisanao andraikitra manoloana izay diso làlana amin’ny olona tarihanao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM