Zoma 23 Oktobra 2020
MATIO 21.18-22
Mifampitohy amin’ny fitantarana ny niakaran’I Jesoa tao Jerosalema ity perikopa anio ity . Ny vahoaka nitsena Azy tao dia nihorakoraka hoe : “Hosana , hosana ho an’ny zanak’I Davida” , kanefa taoriana kelin’izay dia niantsoantso indray hoe : “homboy Izy , homboy Izy”. Mampianatra antsika àry ny Mofonaina anio hoe :
1-Tandremo fa tsy tian’I Jesoa ny fihatsarambelatsihy (and 18-20)
Eo ihany ny fahagagana nahamaina ny aviavy vetivety teo (izay maneho koa fa ho avy ny fotoana hitsaran’I Jesoa ) ,fa ny sary an’ohatra maneho ny Jiosy ihany koa ny aviavy eto : be ravina , mandrobona be kanefa tsy ahitana voany , be fombafomba , fa tsy manam-pinoana ka mandiso fanantenana an’I Jesoa fotsiny . Koa asehon’iJesoa mazava eto fa tsy tia fisehoana ivelambelany izy . Ianao koa , aoka tsy ho fahitana ety ivelany fotsiny na fisehosehoana no hanarahanao an’I Jesoa ka tazanina lavitra dia toa tena kristiana , nefa raha tomorina akaiky tsy ahitana voany na iray aza . Tandremo fa halan’I Jesoa izany . Fotoana indrindra izao handinihantena .
2-Fantaro : Finoana tsy miahanahana no hahefana be (and21,22)
Niteraka fahagagana sy fanontaniana teo amin’ny mpianany ny fahitana io fahamainan’ny aviavy io . Ka namaly azy ireo I Jesoa hoe : “Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana , dia tsy izao natao tamin’ny aviavy izao ihany no ho vitanareo fa raha hiteny amin’ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe : mifindrà ianao , ka mianjerà any an-dranomasina , dia ho tonga izany “ . Asehon’I Jesoa fa ny finoana tsy misalasala , tsy be fanontaniana ,tsy mbola miroaroa saina momba ny tena na momba ny fampanantenan’Andriamanitra no afaka mamoa . Tsy ara-bakiteny loatra akory ny hoe: hamindra tendrombohitra fa entina maneho fa mahomby ny finoana marina. Aoka ho finoana matoky tanteraka àry ny finoanao . Koa ialao ny fisalasalana .
Fanontaniana :
Finoana manao ahoana re no azonao hilazana ny finoanao? Raha mitady voa aminao iJesoa izao , hahita tokoa ve Izy?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM