KERE any Atsimo

Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” (2 Tim.1: 8a)


ANTSO HO AN’NY TOLO-TANANA

AMIN’NY KERE ANY ATSIMO

Ry Havana,
Ho aminareo anie ny fahasoavan’ny Tompo Jesoa
Manoloana ny hain-tany sy ny tsy fisian-drano sy ranonorana ny taona 2019-2020, any amin’ny faritra Atsimo, Synodamparitany Ambovombe Atsimo Kristy Ranovelona, izay niteraka tsy fahampian-tsakafo na KERE any an-toerana ary mitarika fahafatesana olona maro na zaza na lehibe,

Ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe

dia manao antso ho antsika Synodamparitany sy ny Fiangonana ary ny kristiana rehetra manerana ny FJKM, mba hanolo-tànana amin’ny fanohanana sy fanampiana azy ireo ara-tsakafo sy ara-pitaovana, izay aterina aty amin’ny Foibe FJKM varavarana 208 ny vola hoenti-manana amin’izany.

Ary ho an’ireo any lavitra dia azo atao ny mandefa ny vola amin’ny alalan’ny Mvola amin’ny laharana telefonina 034 96 209 32 (Tonian’ny Mpiasa sy ny vola Foibe FJKM, Rtoa Andry Nirina Velosoa), ary vola voaray rehetra dia hanomezana rosia mazava toy ny fanao, ary havoaka amin’ny Gazety Marturia.


Toy izany koa ny fomba nizarana azy, araka ny fiaraha-miasa amin’ny Foibe sy ny Synodamparitany Ambovombe Atsimo Kristy Ranovelona.
Koa idia manentana sy manantena fiaraha-miasa amintsika rehetra amin’ny anaran’I Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana.

Hoy ny Soratra Masina: “Fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho, dia nampisotroinareo, nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo …: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko”. (Matio 25, 35- 36. 40b)


Ny Filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM


Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV