Alatsinainy 12 Oktobra 2020
ASAN’NY APOSTOLY 13.6-12
Ny olona feno ny Fanahy Masina
1-Sahy manambara ny fahadisoan’ny hafa
« Ialahy feno fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra , zanaky ny devoly sady fahavalon’ny fahamarinana rehetra » (and10)
Rehefa feno ny herin’ny Fanahy Masina iPaoly dia tsy nisalasala nilaza tamin’ny fahasahiana ny faharatsian’i Barjesosy mpamitaka, fetsy , mpanohitra sy mpamilivily ny teny fahamarinan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy . Noho ny herin’ny Fanahy Masina tao aminy no nahasahian’i Paoly niteny tahaka izany . Araka izany , rehefa itoeran’ny herin’ny Fanahy Masina ny olona manana fahasahiana hanambara ny faharatsian’ny hafa , indrindra ny fahavalon’ny Filazantsara . Koa mangataha amin’Andriamanitra sy Jesoa Kristy mba hanomezany anao hatrany ny Fanahy Masina hanana fahasahiana hanambara ny fahadisoan’ny hafa.
2-Sahy manambara ny loza hanjo ny hafa
« Ary , indro ankehitriny ny tànan’nyTompo hamely an’ialahy dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha » (and11)
Noho ny herin’ny Fanahy Masina , izay niasa tao amin’i Paoly dia niteny tamin’ny fahasahiana izy fa ho tonga jamba i Barjesosy , ary ny tànan’Andriamanitra izay midika ny heriny sy ny fanatrehany no hahatonga izany . Dia tonga taminy izany loza izany . Marihana fa efa nihatra tamin’iPaoly izany fony izy mbola nanohitra ny Fiazantsara . Araka izany , ny olona izay manohitra ny Filazantsara dia hain’Andriamanitra ny manajamba azy mba tsy hahitany ny fahatsaran’ny fahazavan’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy . Koa angataho ny Fanahy Masina hitoetra ao aminao hatrany , hanananao fahasahiana hilaza loza vokatry ny tsy finoana amin’ny hafa ianao.
Fanontaniana :
Inona ny fahasahiana anananao vokatry ny asan’ny Fanahy Masina ao anatinao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM