Zoma 09 Oktobra 2020.

JODA 17.23

Ny olona mandroso amin’ny finoana

1-Mivavaka amin’ny Fanahy Masina

« …ka mivavaha amin’ny Fanahy Masina » (and20d)Niely ny fampianarana manome vahana ny filan’ny nofo , izay niteraka fisarahana teo amin’ny samy mpino, satria tsy nanana ny Fanahy tamin’izany . Nanoloana izany , mitaona ny mpino hivavaka amin’ny Fanahy Masina , Ilay hery sy fanatrehan’ Andriamanitra sady mivavaka ho an’ny mpino ihany koa i Joda mba tsy handehanany araka ny filan’ny nofony. Araka izany , rehefa mivavaka miaraka amin’ny Fanahy Masina ny olona dia manatrika azy Andriamanitra sady manana ny herin’Andriamanitra miaro azy tsy latsaka ao anatin’ny filan’ny nofo . Izany olona izany na dia misy mitaona azy min’izany aza .

2-Maharitra amin’ny fitiavan’ Andriamanitra

« ...tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’ Andriamanitra  » (and21)

Andriamanitra Ray no mitaona ny olona hanatona an’i Jesoa Kristy , Ilay fitiavan’ Andriamanitra mba handray famonjena sy hiaina ny finoana ka hanompo Azy . Nanao fanekena tamin’olona , tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Izy mba hisitrahan’ny olona ny fahasoavana sy ny tombotsoa rehetra naterak’izany . Takin’ Andriamanitra amin’ny olona kosa ny finoana . Matetika anefa dia tian’ny olona ny tombotsoa azo avy amin’ny finoana , saingy manao tsinotsinona ny finoana Azy izy .Koa ny finoana marina dia ny faharetan’ny olona amin’ny fitiavan’Andriamanitra azy , amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy .

Fanontaniana :

Tanisao ireo antony mahatonga ny olona hiala amin’ny finoana.

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV