Hafatra Pastoraly/ Sept 2020

Hampitomboina ao aminareo, Mpitandrina sy mpianakavin’ny finoana manerana ny sahan’ny FJKM anie ny fahasoavan’ny Tompo Jesoa!

Misaotra an’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy Tompo Lohan’ny Fiangonana isika fa miverina miandalana ny fiainam-piarahamonina, indrindra ato amin’ireo faritra izay nampiharana ny hamehana ara-pahasalamana. Nanako teo amin’ny fiainam-panahin’ny Fiangonana sy ny fitaizam-panahin’ny vahoakan’Andriamanitra ity Covid-19 ity. Ny fanambarana nataon’ny OMS anefa dia milaza fa mety mbola haharitra ny hiatrehan’ny firenena maneran-tany izany. Ary dia manoloana izany indrindra no ampaherezana antsika fianakaviamben’ny FJKM ka hampitana izao hafatra pastoraly izao ao anatin’ny fiverenan’ny fiainam-piangonana tsikelikely amin’ny laoniny.

1- Voalohany : Ampaherezina isika Fiangonana hanao rojom-bavaka mitohy ho an’ny firenena, ho an’ny Fiangonana sy ny fiarahamonina ao anatin’ny fiatrehana izay vokatra aterak’ity valanaretina ity. Betsaka ireo kristianina sy olom-pirenena nandalo fahasahiranana ara-piainana, arak’asa, eny ara-panahy aza. Koa adidy aman’andraikitsika Fiangonana ny mitondra azy ireny eo amin’ny Tompo. Alao hery ary, aoka haharitra amin’ny vavaka sy ny fiaraha-mivavaka.

2- Faharoa: amporisihina isika Fiangonana handalina hatrany ny Tenin’Andriamanitra sy hanao izany ho zava-dehibe amin’ny fifampaherezana. Ny Soratra Masina mantsy no « sabatry ny fanahy » hoentintsika miatrika ny hakiviana na ny fangatsiahana mety ho nateraky ny valanaretina teo amin’ny fianam-panahy sy ny fifandraisan’ny kristianina.

3- Fahatelo : Amin’ny fotoana ankehitriny koa no iainantsika ny tenin’i Paoly Apostoly ao amin’ny Galatiana manao hoe : « Koa araka ny ananantsika andro hanaovana dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana » (Gal. 6: 10b). Koa entanina am-pitiavana isika hifampitsinjo sy hifanohana amin’izay tratry ny tanantsika sy ny fitiavantsika ho an’ireo mila vonjy, na ato anatin’ny Fiangonana na eo anivon’ny fiarahamonina.

4- Fahefatra : Maro amintsika isam-pitandremana, Synodamparitany, Foibe, Sampana, Sampan’Asa sy ny hafa rehetra no tsy afa-nanatanteraka ny fandaharan’asa nokendrena tany amin’ny fiandohan’ny taona. « Ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra » (Rom. 8. 28). Koa ampaherezina isika hanohy am-pitiavana ny fandaharan’asa sy ny tetikasa izay mbola azo tanterahina ao anatin’ity taona ity. Matoa navelan’Andriamanitra nolalovantsika izao toe-javatra izao dia zakantsika. Koa ny fanahin’ny fifandeferana, ny fifankatiavana no fitaovana iray entintsika miatrika ny vokatr’izany.

5- Fahadimy : na ahoana na ahoana dia nanako ihany koa teo amin’ny ara-pitantanan’ny Fiangonana ity toe-javatra ity. Iarahantsika rehetra mahafantatra izany. Isaorana ny Tompo anefa ny fitantanany fa tao anatin’ny tambajotram-pifandraisana dia betsaka ny Fiangonana nampita ny Filazantsara. Ankasitrahana manokana ireo Mpitandrina sy Fitandremana nilofo tamin’izany. Mitaona antsika Mpandray ny Fanasan’ny Tompo sy isika fianakaviamban’ny Fiangonana hanohy ny fanatanterahantsika ny adidy izay tratry ny tanantsika sy efan’ny fitiavantsika. Irina indrindra tsy ho novain’ny valanaretina ny fanahin’ny fahafoizana sy ny fahalalahan-tànana mampiavaka antsika. Mila mifampitondra ny mavesatra isika ao anatin’izao famaramparanana ny taona izao.

6- Fahenina : ho antsika mianakavy dia ato anatin’ity telovolana farany ity no fandrafetana ny fandaharam-potoana sy ny tetibola mbamin’ny tetikandro sy ny fandaharan’asa samihafa amin’ny taona ho avy. Tsy maintsy ao anatin’ny finoana no andrafetana izany. Finoana fa hialoha làlana antsika ny Tompo amin’io taona oh avy io ka sahia matoky ny fitantanany eo am-pandrafetana izany rehetra izany. Izay tsy vita tamin’ity taona ity dia ampidirina ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’ny ho avy. Ho an’ny Foibe manokana, ento amim-bavaka ny hanatanterahana ny fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe sy ny Synoda Lehibe.

7- Fahafito: na ahoana na ahoana anefa dia lalàm-panjakana ny hitandrovantsika ny fahasalaman’ny tsirairay sy ny fahasalamam-bahoaka. Koa ao anatin’izao fiverenana tsikelikely izao dia tsy maintsy tandrovintsika ny fihetsika rehetra hifampiarovana manoloana ny valanaretina, araka ireo toromarika efa hitantsika etsy sy eroa, fa hamafisina amin’ny alàlan’ny peta-drindrina alefanay miaraka amin’ity taratasy ity.

Iangaviana hapetaka eo an-tokontanim-piangonana na eo am-baravarana izany ho fampahatsiarovana antsika ireo fepetra tokony harahina hifampitsinjovana sy hifampiarovana mba samy ho salama ao anatin’ny fanompoana ny Tompo sy ny fijoroana vavolombelona amin’ny fiarahamonina.

Dia mirary ny fitahian’ny Tompo ho antsika mianakavy : « Ary ny fahaiza-mandamina tsara no entinao miady » (Oha. 20: 18).

HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY!

Ifanomezantsoa, 19 septambra 2020

Ny Filohan’ny FJKM

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV