Gazety MARTURIA V.

Hiverina tsy ho ela!!!

Gazety « MARTURIA VAVOLOMBELONA »


Hiverina hivoaka tsy ho ela ny gazety “MARTURIA VAVOLOMBELONA” , rehefa nisy fiatoana nandritry ny amam-bolana maro noho ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’ny fihanaky ny valanaretina covid-19. Ampiomanina araka izany ireo mpanjifa mpamandrika “Abonnés” rehetra, ny tomponandraikitra ambony samihafa eo anivon’ny fiangonana , ny Prezidà Synodaly, ny Mpitandrina, ny kristiana rehetra mpianakavin’ny finoana ho amin’ny fanjifana indray ity gazetin’ny fiangonana ity fa endrika iray amin’ny fijoroana vavolombelona izany. Mila fanohanana rahateo ihany koa avy amintsika ity asa ity.
Hiezaka ny hanatsara hatrany ireo lahatsoratra ao anatiny ireo mpanoratra. Raha misy ihany koa ny soso-kevitra avy amin’ny mpamaky dia raisina am-pitiavana. Ny Fiadanan’ny Tompo anie ho amintsika tsirairay avy.

Ny Tonian’ny fanoratana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV