Alatsinainy 21 Septamb 2020

DEOTERONOMIA 10.12-22

Matahora an’Andriamanitra ka :

1-Halalino  ny fifandraisana Aminy

Maromaro ireo toromarika ambara eto ho fanatsarana ny fifandraisana amin’ny Tompo : mandeha amin’ny làlany  rehetra , tia Azy , manompo Azy amin’ny fo rehetra , mitandrina ny didiny . Araka izany dia tsy afaka handeha ho azy amin’izao fotsiny ny fahatahorana an’Andriamanitra , fa arahana asa. Azo ambara fa tsy matahotra ny Tompo ny olona iray rehefa ny mifanohitra amin’ireo no tsinjo eo aminy . Tsy tena tia Azy amin’ny fo sy fanahy , zara fa manompo Azy. Ho anao àry , hevero ny làlanao , diniho  ka matahora an’Andriamanitra .

2-Mianara Aminy

Ilay toetran’Andriamanitra izay tsy mizaha tavan’olona , manome rariny ny kamboty sy ny mpitondra tena sady tia vahiny  ka manome azy hanina sy fitafiana , dia sitrany ho toetrantsika ihany koa  . Amin’izao fotoana izao dia vitsy ireo ankohonana izay marisarisa amin’ny fandraisam-bahiny . Indrisy fa na eo amin’ny sehatry ny fanompoana sy ny fivoriana samihafa dia zary ifanilihana ny mandray fivoriana . Fantaro  fa tsy mba toy ireo mpitari-bato vilambato ny Tompo ka hafa no tondroin’ny tànany ary hafa no tondroin’ny vavany . Manamafy izany amintsika i Jesoa . Hoy Izy hoe : “Ento ny ziogako ka mianara Amiko…”(Mat 11.29)

Fanontaniana :

Inona avy ireo toetra mampiavaka ny olona matahotra an’Andriamanitra fantatrao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV