Sabotsy 19 Septambra 2020.

ASA 9.26-31

1-Barnabasy nampifandray ny Apostoly tamin’i Saoly (and 26-30)

Mety ho làlana efa nolalovanao koa izao làlana ho amin’ny fiovam-po teo amin’i Saoly izao . Satria rehefa nifanena tamin’ny Tompo i Saoly dia nanapa-kevitra hitory ny Filazantsara , kanefa feno fisalasalana ihany ny maro satria izy dia mpanenjika ny fivavahana . I Barnabasy no fitaovan’Andriamanitra hisian’ny fifandraisana teo amin’ny mpitory ny Filazantsara , mba hisian’ny fiombonana.Tranga mety efa niseho teo amin’ny fiainan’ny Fiangonana koa izany noho ny fisian’ny fifohazam-panahy . Mety ho ianao io, toa an’i Barnabasy hisian’ny fifandraisana samy mpitory ny Filazantsara mba handrosoan’ny asa izay atao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra fa tsy amin’ny fireharehana . Jesoa dia nifidy anao . Aza ailika izay miara-mitory aminao , fa namanao izy.

2-Nanam-piadanana ny Fiangonana

Izao fiovampon’ ny fahavalo izao no lasa nampisy ny firaisana , nihanatanjaka ny Fiangonana noho ny Filazantsara notoriana, nihamatotra ara-panahy ny Fiangonana satria nandeha tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra ary nihamaro ireo nijoro ho vavolombelona noho ny herin’ny Fanahy Masina . Ambaran’ny mpanoratra tokoa izany , fa io fahatahorana ny Tompo io dia hita ao amin’ny Filazantsara (Lio 1.50; 18.2; 23.40). Ary ao amin’ny Asan’ny Apostoly dia hita fa ireo izay nanana tahotra an’Andriamanitra no nijoro ho fanamarihana ny fiatombohan’ny asa fitoriana ny Filazantsara (toko 10.2/22.35/13.16/16.26) . Ny fahatahorana an’Andriamanitra no miteraka fahatokiana sy fankatoavana , ary izany no nitondra ny Fiangonana ho amin’ny fiadanana ao amin’ny Tompo .

Fanontaniana :

Mpitory Filazantsara ianao, inona ny fiadanana azonao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV