Zoma 18 Septambra 2020.

EKSODOSY 18.17-23

Miasà amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra

1-Mahay mihaino ny torohevitry ny hafa

Mandamina raharaha sy adidy maro i Mosesy, toy ny loham-pianakaviana. Mavesatra tokoa izany ka tsy ho vitany samirery. Manoro hevitra azy Jetro mba hanankinany ny asa sasany izay mety handreraka azy sy ny vahoaka .Ny mpanompon’Andriamanitra izay nofidiny hitondra ny Fiangonana dia tokony hahay mihaino ny torohevitry ny hafa, handavorariana ny asa. Amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra no anaovana izany, fa tsy hoe : hakanosana na tsy fahaizana, satria mbola hanadinan’Andriamanitra izay asa nampanaoviny. Sady manara-dalàna no feno fahendrena ny torohevitra naroson’i Jetro an’i Mosesy ka nahatonga azy nihaino sy hampihatra izany. Jesoa Kristy koa dia nifidy sy nanendry ny Apostoly mba ho amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara , ny Fiangonana no manohy izany.

2-Mahay mizara ny faefana amin’ny hafa

Ny asa niandry an’i Mosesy eto, niainga tamin’ny fizarana, fisafidianana ireo olona tao amin’Israely izay nifanaraka tamin’ny torohevitry ny rafozan-dahiny (Jetro). Tsy inona izany fa ny fanomezam-pahefana olona sasany matahotra an’Andriamanitra mba hampahavokatra tsara kokoa ny asan’Andriamanitra. Olona mahay ,matahotra an’Andriamanitra, olona marina tsy tia kolikoly ka tsy azon’ny fitsiriritana sy ny fitiavam-bola. Mbola manan-kery mandraka ankehitriny anefa izany torohevitr’i Jetro tamin’i Mosesy izany eo amin’ny fitondrana ny vahoakan’Andriamanitra eo amin’ny Fiangonana. Ny fizarana ny fahefana ho an’ny hafa mba hahalavorary tsara ny asan’Andriamanitra, ka atao amin’ny fahatahorana tsy am-pireharehana satria an’ Andriamanitra ny asa. Ny Fiangonana mahay miasa dia mizara ny fahefana amin’ny hafa. Mahaiza mizara asa ary aoka ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra izay atao.

Fanontaniana :

Mba notanterahanao tamin’ny fahamarinana ve ny andraikitra nomena anao tao amin’ny Fiangonana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV