Alakamisy 17 Septamb 2020.

TITOSY 1.5-9

Miasà amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra

1-Aza mandà ny fahasoavan’Andriamanitra

Ny mpanoratra ny bokin’ny Hebreo dia milaza amintsika mba tsy handavana ny fahasoavana avy amin’Andriamanitra . Fanomezana ho an’izay mankato ny lalàna izany teo amin’Israely tamin’ny andron’i Mosesy , fa noraisina tao amin’i Jesoa Kristy kosa aty amin’ny Testamenta Vaovao . Ny fahasoavana dia nomena antsika , handraisantsika andraikitra bebe kokoa ao amin’ny Tompo . Aoka tsy handà ny fahasoavana omeny . Ny Zanak’Israely dia nofaizina raha nandà tsy nihaino an’i Mosesy , dia toy izany koa no hanjo izay tsy mankato an’i Jesoa Kristy Tompo (and25-27). Raiso ny fahasoavana izao omen’ Andriamanitra anao , satria mpanompony ianao .Aoka tsy ho amin’ny fireharehana fa amin’ny fahatahorana Azy.

2-Manompoa Azy amin’ny fanajana sy ny fahatahorana

Fa ho an’izay mpanompo marina eo anatrehan’Andriamanitra , mihaino ny teniny , araka izay voalaza ao amin’ny didiny dia hahazo fanjakana maharitra mandrakizay tsy azo hozongozonina (and 28-29). Ao amin’ Andriamanitra io , ary mendrika ho an’izay miasa amin’ny fahatahorana ombam-panajana . Mendrika ataontsika mpanompon’ Andriamanitra , ary isika no hampianatra ny hafa ny amin’ny fanajana an’ Andriamanitra sy ny fahatahorana Azy eo amin’ny atao. Aza atao ho vesatra eo amin’ny asa fanompoana ny fanajana sy ny fahatahorana fa ataovy ho fifaliana mba ho fiainanao isanandro izany.

Fanontaniana :

Mahatsiaro ny fahasoavan’nyTompo tokoa ve ianao eo amin’ny fiainanao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV