Talata 15 Septambra 2020.

1 PETERA 1.13-20

Miasà amin’ny fatahorana an’Andriamanitra

1-Satria masina Andriamanitra

Eo am-panatanterahana ny asa izay nifidianan’ Andriamanitra antsika , ny mpanoratra dia manambara ny amin’ny fahamasinan ‘ Andriamanitra . Satria Masina Andriamanitra ka izay marina amin’ Andriamanitra dia tokony ho marina koa amin’ny olona , ary izay anahafana ny toetrany tiy ny zanaka manahaka ny ray aman-dreny .

Ny nanamasinana antsika dia tamin’ny alalan’ny asa fanamasinana ataon’ny Fanahy Masina . Tafasaraka amin’ny fomba fiainana tsy araka ny sitrapon’ Andriamanitra isika , ary takiana amintsika izay mino an’i Kristy ny ho masina tahaka Azy . Ny Soratra Masina dia mampianatra fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo (Heb 12.14). Andriamanitra izay manamasina ny mpanota mibebaka dia te-hanamasina ny manontolon’ny mpino . Koa miasà amin’ny fatahorana Azy eo amin’izay niantsoana anao . Ankatoavy ny didiny ary aoka ny fitondrantenantsika ho masina , satria masina Ilay niantso antsika .

2- Satria olona navotana tamin’ny Rà soan’i Kristy

Ny Soratra Masina dia mampiseho fa tafasaraka tamin’Andriamanitra ny olombelona (Rom 3.10-18) ary eo ambany fanapahan’ny herin’i satana (Asa 10.38) . Niantoka ny vidim-panavotana i Jesoa Kristy tamin’ny nandatsahany ny Rany sy nanolorany ny ainy ho antsika (Mat 20.28/ Heb 9.12). Tandindon’ny fanavotana ao amin’ny Testamenta Taloha izao asam-panavotana nataon’i Jesoa kristy ho antsika izao . Koa satria olom-boavotra isika , navotany tamin’ny Ran’ny zanakondry tsy misy kilema , ary tsy misy pentipentina ka dia miasà amin’ny fatahorana Azy .

Fanontaniana:

Mba tsaroanao ve fa miavaka amin’ny rehetra ianao satria mpanompon’ Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV