Alatsinainy 14 Septambra 20.

EFESIANA 6.1-9

Miasà amin’ny fatahorana an’Andriamanitra

Ny fanekena sy ny fankatoavana no tokony hifehy ny fifandraisana sy ny andraikitra eo amin’ny sehatra omena . Koa ny kristiana dia miasa amin’ny fatahorana an’Andriamanitra .

1-Eo anivon’ny ankohonana

Ny ankohonana no sehatra ifandraisan’ny Ray aman-dreny sy ny zanaka, izay anehoana ny fitiavana sy ny fankatoavana . Didina ny zanaka mba hankato ny rainy sy ny reniny (and1), maneho fanajana (Deo 5.16) . Asa ny manaja , manaiky , manaraka toromarika eo anivon’ny ankohonana ary koa fatahorana an’Andriamanitra izay tompon’ny fandaminana. Ny ray aman-dreny koa dia hanao ny andraikiny am-pitiavana ombam-patahorana , manazatra ny zanany amin’ny fahamarinana sy fifehezantena indrindra ny fatahorana an’ Andriamanitra;

2-Eo anivon’ny asa (and 5-9)

Amin’i Paoly Apostoly dia misy dikany sy antony eo anatrehan’ Andriamanitra avokoa ny fanompoana . Koa ny fifandraisan’ny mpampiasa sy ny mpiasa dia heverina fa tsy kisendrasendra fa hanehoana ny fatahorana an’Andriamanitra Ilay Tompon’ny asa . Izao no voasoratra : »na inona na inona ataonareo na amin’ny teny na amin’ny asa dia ataovy amin’ny Anaran’ny Tompo , ka misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany » (Kol 3.17). Ampiharo izany eo anivon’ny asam-panjakana , asehoy ny fankatoavana feno fanajana sy fatahorana an’Andriamanitra ary ataovy amin’ny fahatsoran’ny fo (and 5). Ny fatahorana an’Andriamanitra no tokony haseho eo amin’ny asa atao , fa tsy ny fatahorana tompo izay olombelona ihany . Tsy hila sitraka na hiasa ho hitan’ny hafa ( filan-dera izany) fa izay atao dia ho fatahorana an’Andriamanitra maniraka hiasa .

Fanontaniana :

Tena mijoro ho mpanompon’Andriamanitra teo amin’ny asa nanirahana ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV