Zoma 11 Septambra 2020.
FILIPIANA 2.12-18
Miasà amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra
1-Miasà amin’ny maha-olona nohamasinina
Paoly Apostoly no manoratra ho an’ireto kristiana Filipiana ireto , izay nindraindrainy tamin’ny firaisana sy ny fatokiana ao amin’ny Tompo . Ny asa dia atao amin’ny fahamasinana , araka ny fanekena natao teo anatrehan’Andriamanitra . Tsy ilana dera , atao amin’ny fo feno fahazotoana . Miasa amin’ny tahotra sy ny hovitra , tsy mila fireharehana na doka , ho fiheverana ny tena ho zavatra fa amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra . Manaiky hotarihan’ny Fanahy Masina , ary miezaka hahavita izay ankatoavina .
2-Miasa amin’ny fahavononana (tsy mimonomonona)
Halavirina ny fo tsy madio sy ny fieritreretana tsy marina, ary ny fanahy malaina satria tsy fitiavan ny asan’Andriamanitra izany . Vitaina tsara ny adidy , tsy maka saina na mianatra ny ataon’ny olon-tsy marina any ivelan’ny Fiangonana , izay tsy hanao ny asa . Koa fadio ny fanaony . Ny Apostoly dia mampirisika mba ho vonona tsara sy ho marina amin’ny asa , ka ho vavolombelona amin’ny fampianarana natolony .
3-Miara-mifaly amin’ny asa atao
Ny fankatoavana an’Andriamanitra amin’izay atao no maneho ny fanompoana Azy amin’ny fatahorana ary manaiky ho fitaovana mahomby eo amin’izay asa anirahany. Miara-mifaly amin’ny zavatra rehetra atrehina, satria antso iray , asa iray . Mifalia mandrakariva fa ny asa atao am-pifaliana no sitrak’Andriamanitra hataontsika .
Fanontaniana :
Mba niteraka fifaliana teo amin’ny fiainanao ve ny asa fanompoanao ao amin’ny fiangonana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM