Alakamisy 10 Septambra 20.

MARKA 6.45-52

1-Izay tian’i Jesoa ho hitan’ny olona Aminy

Voalaza eo amin’ny and 48 hoe : « nitsangatsangana tambonin’ny ranomasina i Jesoa ka nikasa handalo azy » . Efa nanao famantarana maro sy zava-mahagaga tamin’ny mpianany sy ny olona maro ihany i Jesoa talohan’izao kanefa dia mbola zava-mahavariana hafa ihany koa ity voalaza eto ity : nitsangatsangana tambonin’ny ranomasina , izany hoe : nandehandeha tambonin’ny rano Izy . Fantantsika tsara fa tsy mety ho marina izany eo amin’ny lalàn’ny natiora satria tsy maintsy milentika ny vainga rehetra rehefa atao ambony rano . Raha nandrasana hilentika araka izany i Jesoa rehefa nandehandeha tambonin’ny rano dia tsy nitranga izany fa indro Izy nandehandeha teo ambony rano. Ny maso tian’iJesoa hijeren’ny olona Azy izany dia Ilay manohitra ny lalàn’ny natiora , ambony sy mahery indrindra manoloana ny zavatra rehetra koa. Izany no tiana hampitain’i Jesoa tamin’ny mpianany raha nanao izao fihetsika izao teo anatreany Izy . Amin’ny teny hafa dia manana fahefana hanala ny tahotra mampahory ny olona Izy ary andrasana hanaiky izany ny mpianany .

2-Izay hitan’ny olona taminy

Rehefa hitan’izy rehetra anefa fa indro nisy olona nandehandeha tambonin’ny rano  dia niara-nihevitra izy ireo  hoe : matoatoa io , ka vao mainka feno  tahotra izy (ampitahao  Lio 24.37) . Tsy tafita tamin’ireto  mpianatra izay tian’iJesoa ho hita sy ho fantatr’ireo  . Tsy mahagaga ma izany satria tsy takatry ny sain’olona izany maha-Andriamanitra Azy izany . Izany  no maha- zava-dehibe ny tsy niarahantsika niaina taminy  fa ilàna FINOANA. Azy.

Fanontaniana :

Vonona ve ianao hiatrika ny Tompo rehefa tonga indray Izy araka ny teniny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV