FJKM 52 T/ tatitra

TATITRY NY FANKALAZANA AN’ANDRIAMANITRA

 NOHO NY FAHA-52 TAONA  FJKM

«Ko aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika … » 2 Tim 1.8a

Niainga tao amin’ny FJKM ANALAMAHITSY

Fankalazana tsotra nefa miavaka

Toka-miavaka tsy mbola nisy azo nampitahaina taminy ny endrim-pankalazana an’ Andriamanitra noho ny faha-52 Taona nijoroan’ny FJKM  tamin’ity taona 2020 ity . Izany dia noho ny fandalovan’izao tontolo izao mihitsy ny hamehana ara-pahasalamana vokatry ny valanaretina CORONAVIRUS na antsoina koa amin’ny anarana  hoe :  COVID-19 . Tsy afa-niala an’ izany i Madagasikara  sy ny vahoaka Malagasy .

Niova ny toerana :

Raha ny tena   izy dia tokony any Sambava ny mason’ny kristiana FJKM manontolo mamarana ny Synoda lehibe faha- XIX sy miombom-po amam-panahy mankalaza an’Andriamanitra noho izany fotoan-dehibe izany . Hafa anefa ny fandaharan’Andriamanitra . Koa dia teto Antananarivo no nomarihana izany , tao amin’ny FJKM Analamahitsy (SP IA 19), izay notarihan’ireo Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe  .

Voafetra ny mpanotrona

Voafetra ho 50 isa no afa-nanatrika ny fotoana ka ankoatran’ireo antoko mpihira tao an-toerana sy ny diakona mandray raharaha dia ireto avy no nisolo tena ny vahoaka kritiana tamin’izany : ny  Birao Mpiandraikitra Foibe ,ny Mpanantanteraka rehetra tarihan’ny Sekretera Jeneraly ,  ny Tonian’ny Departemanta telo (Fiangonana , Sekoly ary  Mpiasa sy Vola) , ny Tonia rehetra eo anivon’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa ,miampy ireo Présidents Synodaux mitantana ny SP efatra eto Antananarivo (Atsimo, Atsinanana , Iarivo Avaradrano ary ny Filohan’ny SP Andrefana ) ary  Solotena avy amin’ny Toeram-Panomanana Mpitandrina FJKM.

Fizotry ny fotoana :

Ny Hira faneva faha-200 Taonan’ny Sekoly FJKM no nanombohana ny fotoana “MAHARETA”.

Nitarika ny Fanompoampivavahana , Andriamatoa ZARAZAKA Jean Louis, Mpitandrina , Filoha Mpanampy BMF.

Nitory ny Tenin’Andriamanitra   Révérend  Docteur IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi , Mpitandrina , Filohan’ny FJKM .

Dimy minitran’ny Sekoly Alahady  : Andriamatoa RANDRIANASOLO Heritiana , Mpitandrina , mitondra ny FJKM Analamahitsy .

Raharaha :  Andriamatoa RAKOTONINDRAINY Jaona , Mpitandrina , Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana . Nisy ny fanehoana ny fanolorantena tamin’ny alalan’ny Rakitra

Vakiteny : 1 Mpanjaka 19.1-10 ( Rtoa ANDRY NIRINA Velosoa , Tonia Mpiasa sy ny Vola FOIBE)

                   Lioka 9.18-22 (Andriamatoa Andriamamonjisoa Georges , Filoha mpanampy Laika BMF) (

                  2 Timoty  4.9-18 (Ramatoa RAKOTONDRANAIVO Domoina , Tonian’ny Dep Sekoly )

TORITENY  : LIOKA 9.18-22

Lohateny :  RY FJKM O ! BANJINO I JESOA

 ka : 1-Jereo manokana ny fiainambavakao (and 18b) : Tena fiainan’i Jesoa ny mivavaka.Kolokoloy ny fiainam-bavakao.Velomy ny fiaraha-mivavaka ao an-tokantrano.Tongava mivavaka rehefa misokatra ny Fiangonana.

      2- Ekeo marina ho Kristy I Jesoa (and18-20) : Tsy maintsy mandini-tena isika rehetra any amin’ny sehatra samihafa (fitsaboana , politika,fampianarana,varotra,fitsarana…mba ho hita ny maha-olombaovao ao amin’i Kristy.

     3- Sahia mangina amin’ny fotoanany (and21) : Mesia politika no nandrasan’ny Jiosy . Tsy izany no nahatongavan’i Jesoa fa ny hamonjy izao tontolo izao .

     4-Omany hiaritra fahoriana ny saina , fo amam-panahy (and 22) : Tsy maintsy hisy ny fahoriana . Ry FJKM ô ! miomàna hiatrika fahoriana ny saina , hitondra ny hazo fijaliana . Neken’Andriamanitra ny hahafaty an’i Jesoa. Tsy ny fikatonan’ny Fiangonana no hampimonomonona na hampalemy ny finoana . Miareta! mahereza!

    5-Andrandrao ny fandresena avy amin’ny Tompo (and 22b).Tsy tompon’ny teny farany ny fahafatesana . Mbola hisy ny fitsanganana amin’ny maty. Andrandrao ny fandresena !

Vavaka taorian’ny toriteny : Andriamatoa RADIMISAON Jonah  , Sekretera Jeneraly FJKM.

………………………………………………………………………………………………………………….

Niainga tao amin’ny RADIO FAHAZAVANA

Ny vahoakan’Andriamanitra rehetra kosa niara-nankalaza ny Tompo tamin’ny alalan’ny fanarahana ny fanompoampivavahana  tao amin’ny RADIO FAHAZAVANA ,onjampeon’ny Fiangonana FJKM . Teny fisaorana avy amin’ny BMF no nampitain’ny Filoha Mpanampy Mpitandrina , mialohan’ny fandraisana ny tsodrano natolotry ny Filohan’ny FJKM .

Ny fanamarihana ny fankalazana an’ Andriamanitra noho ny faha-52 Taona tao amin’ny Radio Fahazavana dia nitohy avy hatrany  tamin’ny alalan’ny vavaka sy fifadiankanina notarihan’ny Sampana Fifohazana Foibe (SAFIF) .Efa  nisy fandaharana voaomana narahan’ny rehetra tamin’izany . Fampianarana roa sosona no narahana tamin’izany :

          1-FIANGONANA FJKM OMALY SY ANIO

( RAKOTONAVALONA Maholy , Mpitandrina )

Omaly : Filazantsara manafaka no notorin’ny Fiangonana FJKM. Ny fitaovana ampiasaina dia ny Soratra masina .Nanana toerana lehibe ny fanabeazana ara-tsoratra masina sy ny fitaizam-panahy. Ny toe-tsaina nenti-niasa dia ny fanajana ny firaisana .Marihana fa tao Ambatolampy no nanapahana fa Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara no anarana ampitondrana ny Fiangonana ajoro na FJKM .

Ankehitriny : Fanohizana ny efa natomboka . Fanorenana ny trano fiangonana . Nitsangana ny SEFALA-SETELA . Entina any aminn’y vahoaka ny Teolojia mba hahafahany mijoro vavolombelona . Niitatra hatrany am-pitandranomasina ny FJKM. Hatsangana ny Toeram-panomanana Mpampianatra vaovao . Ny oniversity Ravelojaona ho fanabeazana ny tanora .Tohizo ny fanafoizana ,ny fanajana ny firaisana, ny fanetrentena, ka aza miova fa vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara araka ny vina napetraka.

Fanamarihana :

Teboka roa no nanamatroka ny ankehitriny dia:

– ny fisian’ny korontam-piangonana .Tafiditra ao anatin’ny Fiangonana ny fikomiana izay tokony hahamailo antsika .Tsy sitrak’Andriamanitra ny korontana . Toe-tsaina efa nialana ny fanonganana samihafa.Taratry ny fahamatorana izany .

-Ny « Mondialisation » : Raha tsy miara-miantsoroka izany isika dia ho difotra

    2-FIANGONANA aorian’ny COVID 19

(Rev Dr. RANDRIAMAMPIONONA Alfred , Mpitandrina)

Samy manana ny fomba fijeriny ny tsirairay manoloana ity aretina CORONAVIRUS manenika ny tany ity ary mipaka aty Madagasikara . Indreto misy fomba fijery vitsivitsy : Ao ny milaza fa fitaoman’Andriamanitra ny olona mba hanana fiombonana Aminy ny anton’ izao toe-javatra izao. Misy indray ny manizingizina fa ny finoana no zava-dehibe fa rehefa manana finoana ianao dia arovan’Andriamanitra  , kanefa  na lavon’ny fahafatesana koa aza dia mbola ao amin’ny Tompo ihany . Misy indray sokajin’olona manamafy fa tena kapok’Andriamanitra mihitsy izao  satria manenika ny tany ny fahotana . Mpanota avokoa ny olombelona , saingy ny mino an’Andriamanitra dia mandandilady amin’Andriamanitra , mibebaka  mba hampitony ny fahatezeran’Andriamanitra . Misy ihany koa milaza fa zava-misy tahaka ny zava-misy rehetra  ihany izao ka mila atrehana  amin’ny saina maranitra sy fanadihadihana  ary miainga amin’izany ny fiarova-tena . Raha Jesoa no teto dia nanao masque Izy, ary tena fakana fanahy an’Andriamanitra ny tsy fanaovana masque .

Fehiny :

Mila mamantatra isika FJKM : ny aiza amin’ireo fomba fijery ireo no matanjaka amin’ny vahoaka FJKM . Mila trandrahana izany fa izany no fanehoan’ny olona ny finoany .

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra . Amena …

Nisy ny fanatazana ny Rakitra , ka izay voavorin’ny mpianakavy isan-tokantrano dia aterina ao amin’ny FOIBE FJKM hiatrehana ny  Asan’ny Fiangonana .

Firotsahana an-tsehatra :

Nisy ihany koa ny fidiran’ireo Président Synodal mivantana an-tarobia nitatitra  ny fizotry ny Tafika Masina sy ny Asa sosialy nataon’ny isan-tSynodamparitany .Efa nofaritana mialoha ny isan’ny tokantrano hovangiana any amin’ny fiangonana vonona hanantanteraka ny fitsidihana tokatrano vitsivitsy amin’ireo olona ivelan’ny fiangonana , dia nisy ny fanomezana efa voatsinjara  mialoha atolotra azy ireo (menaka , vary , voamaina , cache bouche … )miaraka amin’ny trakta ,manoro azy ireny ny làlam-pamonjena . Marihana fa nomena fanomezana manokana koa ireo mpampianatra eo anivon’ny Sekoly FJKM anatin’ny FPMP efatra manodidina , ho fanohanana azy ireo manoloana izao fihibohana na fijanonana an-trano izao .

Fanandratana tonombavaka nifandimbiasan’ireo Tonia samihafa sy tomponandraikitra eo anivon’ny FOIBE FJKM no namaranana  ny fiombonana ary voatonona amin’ny antsipirihany ny sehatra asa rehetra misy ao amin’ny sahan’ny FJKM .Tsapa ho nahazo hery mihavao indray ny mpino  teo am-panarahana ny fotoana manontolo .

Teny fisaorana ny mpandray anjara rehetra no namaranan’ny Filohan’ny FJKM ny fotoana manontolo tao amin’ny Radio Fahazavana , nafanain’ny hira feno fanolorantena HO VAVOLOMBELONAO  (Hira 427.3) .

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra .

Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina . Amena

Nangonin-dRamatoa Sahondra Rabelison

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV