Alah’ Aumonerie 2020.

Fandaharana iombonana

Hira faneva faha 200 taon’ny Sekoly

1. Fiarahabana Apostolika:  “Efesiana 1 : 2”

2. Fisaorana sy Fiderana an’Andriamanitra: “

            Salamo 23

         Hira “Derao Andriamanitra”   (FFPM 21 1,2,3)

            Vavaka fiderana sy fisaorana

3. Sitrapon’Andriamanitra: “ I Pet.4:17-19”

            « Sambatra ny mahitsy lalana,….» (Salamo 119 :1,2)

           Hira: “Afafazo ” (FF182)

4. Fiaiken-keloka: Vavaka  fifonana

5-Famelan-keloka 

Hoy ny Soratra Masina hoe:

“Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka na hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.”. (JAONA 3: 17)

Koa ho anareo izay nibebaka marina tokoa, mitsangana handray ny Teny famelan-keloka atolotry ny Tompo ho anareo:

Hoy I Jesoa hoe:

“Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa ataoko hoe sakaiza hianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo. Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona.” Amen

Noho izany dia ambara fa voavela ny helokareo noho ny Anarany Masina, miderà ny Tompo:

« Sambatra ny olona izay voavela ny helony, sy voasarona ny fahotany.Sambatra ny olona izay tsy isain’I Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny ». Amen

Hira: “Raha misy mahory mahazo ety” (FFPM – 5062,3)

6.Fanekem–pinoana: (laharana fahatelo)

Hira: “Sambatra ny sofiko raha mandre ny teny (FFPM – 3341)

7. Raharaham-piangonana

8. Fanatitra

Hira: “Antoko Mpihira, na FFPM 512:”He matoky aho Tompo”

Vavaka fanolorana ny Rakitra : Hira FFPM – 512 2 “Jesoa Tompo avy aho”

7. Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra:

Fotoana ho an’ny  Ankizy sy ny Tanora (Hiran’ny Sekoly Alahady)

Hira: “Jesoa ô sakaiza tsara “ (FFPM – 1903)

Hira: “Ny teninao Jehovah Ray Mahery  “ (FF06 )

            – Vavaka mialoha ny Soratra Masina

            – Vakiteny

  • Nehemia  3:33-38
  • Jaona 10. :11-18
  • Apokalipsy 6 :9-11
  • Hira:  “ Jesosy Tompo miantso anao”FF 43 1,3

8. Toriteny     

 Hira : Chorale

9.Vavaka Fangatahana faranana amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo

10. FAMARANANA:

 Hira: “Raha Jehovah no Mpiandry”  (FF19)

    Hafatra

Tsodrano: Nomery  6:24-26

Vavaka mangina

HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY  NY VONINAHITRA

Amin’ny anaran’ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen

……………………………………………………………………………………………………………………………..

HAFATRA

Ny Komity Foibe, ny Mpandrindra Nasionaly, ny Aumôniers rehetra sy ireo mpisehatra rehetra eto anivon’ny Aumônerie FJKM dia mamangy ny fiangonana amin’ny alalan’izao hafatra izao noho ity Alahady iray anatin’ny taona 2020 natokana hanohanana sy hitrotroana am-bavaka ny asan’ny Aumônerie FJKM ity.

Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Misaotra ny Tompo isika ry havana raha afaka mijery indray ny asa fiantrana sy fitaizam-panahy FJKM amin’izao alahady izao. Ny aumônerie FJKM, saiky isan-taona dia manafatra sy mampirisika antsika rehetra mba samy hanao ho zava-dehibe sy ho vaindohan-draharaha izany asan’ny Tompo ampanaoviny ny fiangonana izany. Tsara ny manamarika fa miha-mitombo hatrany izany fanohanana izany tato anatin’ity taom-panompoana 2016-2020 na dia mbola vitsy ihany aza ny manatitra ny rakitra aty amin’ny foibe Aumônerie.Na dia eo aza izao valan’aretina izao ka toa voafefy isika noho ny hamehana ara-pahasalamana.

Ny Aumônerie FJKM dia mahita ary misaotra an’Andriamanitra noho ireo hetsika maro ataon’ny Fiangonana ankehitriny, hijoroany ho vavolombelona amin’ny alalan’ny teny sy ny asa. Maro ny fiangonana mampiasa ny lafi-batany hijerena ny mila vonjy. Voafehin’ ny fiangonana ny fampiasana ny seraseram-pifandraisana samihafa mba hampaherezana ny mpino. Lasa fiainan’ny isan-tokan-trano ny fiainam-bavaka. Toa taona nomen’ny Tompo antsika ity taona 2020 ity, hanaovana fampiharana tsara ny Tenin’Andriamanitra izay mampitodika antsika anyamin’ny fiaraha-monina, ka mitondra ny herin’ny Filazantsara ho fifikitry ny mpiara-belona,manoloana ny aretina sy ny hanohanana, ny fahaverezan’asa, eny ny fahafatesana aza.

Amin’izao Alahady izao ry havana dia asaina manokana ianao hiara-hientana amin’ny FJKM rehetra ka hanao fanamby fa hanohana sy ho mpitrotro am-bavaka izao asa izao, ary isaorana anao mialoha sahady izany.Indro ny fandaharana iombonana sy ny tatitr’ireo nanatanteraka rakitra tamin’iny taona lasa iny.

Mitohy hatrany ny Tetik’Asa A-Z izay iarahana amin’ny Jacob Project, marihina etoana ry Havana fa ny tanjona amin’ ity tetik’asa A-Z ity dia mba ho tonga fiainan’ny fiangonana ny mandray anjara mivantana. Hanokana Alahady iray amin’ny taona ny fiangonana hanangonana izay foin’ny Kristiana ho amin’izany.

Eto am-pamaranana dia mampahery sy mivavaka manokana ho anareo Aumôniers rehetra syireo mpanompon’Andriamanitra rehetra mpiara-miasa aminareo amin’ny fiatrehanareo izao Covid- 19 izao, hamarin’ny Tompo aminareo hatrany anie ny Teniny fa Izy homba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny

Eto am-pamaranana dia mampahery sy mivavaka manokana ho anareo Aumôniers rehetra sy ireo mpanompon’Andriamanitra rehetra mpiara-miasa aminareo amin’ny fiatrehanareo izao Covid- 19 izao, hamarin’ny Tompo aminareo hatrany anie ny Teniny fa Izy homba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.

Ampifaliana koa no iarahabana antsika kristiana FJKM noho ny fahatrarantsika izao Tsigerintaona faha -52 niombonan’ny fiangonantsika ho FJKM izao. Ho fitahiana ho an’I Madagasikara anie ny fijoroana ho vavolombelon’I Jesoa velona amin’izay ataontsika rehetra.

“ koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” 2 Timoty 1: 8

HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY

RALAMBOMAHAY Hendrininosy, Mpitandrina, Filohan’ny Komity Foibe

RANDRIANAIVOARIVELO Rado Bera, Mpitandrina, Mpandrindra Nasionaly

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV