Feno 52 Taona FJKM.

18 AOGOSITRA 1968- 2020

Ny FOIBE FJKM dia miantso sy manentana ny vahoaka Kristiana manerana ny sahan’ ny FJKM amin’ ny fankalazana sy fisaorana Azy noho ny andro Lehibe eo amin’ ny Fiainan’ ny Fiangonana FJKM ny Talata 18 Aogositra 2020 (18 Aogositra 1968-18 Aogositra 2020) , feno 52 taona ny FJKM .

Toy izao ny fandaminana :

-Hisy fanompoam-pivavahana izay tarihan’ ny BMF

-Handray anjara isika rehetra amin’ ny TAFIKA MASINA sy ny Asa Sosialy izay ataontsika Fiangonana FJKM, entanina ny zanaky ny Fiangonana FJKM entanina ny zanaky ny Fiangonana sy ny SSA handray anjara mavitrika amin’ izany.

-Hisy ny Fanompoampivavahana atao isaky ny SP ary hanatanteraka ny Tafika Masina sy ny Asa Sosialy

-Hisy ny andro fifadian-kanina izay tarihan’ ny SaFiF Foibe

-Ny Fanomezana dia raisina eo amin’ ny Caisse Foibe FJKM Analakely ; na any amin’ ny Ivotoeran’ ny SP Efatra (Andrefana, Atsimo, Atsinanana, sy Iarivo Avaradrano) ho an’ny Synodamparitany hafa dia eny anivon’ ny Synodamparitany hatrany no atonin’ ny kristiana.

-Manentana antsika rehetra handray anjara mavitrika ho fijoroana vavolombelona eo anivon’ ny Fiaraha-monina .

Hoy ny Soratra Masina ; « Miorena tsara, aza miova » I Kor. 15 : 58.

Ao anatin’ ny fanarahana ny fepetra momba ny fahamehana ara-pahasalamana no hananterahana izany.

Ho an’ izay tsy afaka manatitra amin’ ireo toerana ireo ka te-hanolotra fanomezana (ho an’ ny eto Antananarivo sy ny manodidina) dia afaka miantso ireto manaraka ireto :

-Talen’ ny Antso : 034 82 703 49

-Tonia Dorkasy : 033 19 230 40/ 032 90 257 06

-Tonia SAMPATI : 034 90 163 67.   

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV