Alahady 09 Aogositra 2020
HEBREO 11.12-40
Ny ady atao amin’ny finoana
Nilazana ny herim-pinoana nananan’ireo mpanompo maro samihafa ny Heb 11 , ary koa nanehoana ny fahamarinan’ny Soratra Masina , fa tsy miala maina akory ireo olona nisahirana sy niaritra ny fisedrana maro samihafa. Mitanisa olona maro izy kanefa manomboka amin’ny and 32 dia natambany ny filazana ny herim-pinoana nisy tamin’ireo olon’Andriamanitra niavaka tamin’ny zava-bitany araka ny itantaran’ny Soratra Masina azy.
1-Amoizana aina ny ady
Raha vao mieaka ady dia izao no ao an-tsain’ny olona amin’ny ankapobeny : misy mpifanandrina roa na maromaro na tena marobe izay samy mampiasa fitaovam-piadiana isankarazany . Mandrakariva dia misy ny mpandresy sy ny resy ary amotehana zavatra maro izany sady amoizana aina ihany koa. Mety ilazana an-dry Davida ohatra izany , satria tena miaramila mpiady ireny . Ry Daniela sy ny toa azy kosa , na dia tsy mpiady toy ny miaramila aza dia lazaina hatrany hoe : niatrika ady satria nisedra zava-mahafaty nohon’ny fialonan’ny hafa ( jereo Efe 6.10-13) .
2-Ahazoana vokatsoa tsara lavitra ny ezaka vita
Ny Soratra Masina dia milaza fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezana aina ao amin’ny Tompo (1 Kor 15.58) . Koa nahatoky sy nahery , ary nahavita nisedra zava-tsarotra ireny olona ireny , eny hatramin’ny famoizana ny aina aza . Matoky mantsy izy , fa Andriamanitra dia mahay mamaly zavatsoa indrindra ho azy , dia ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty . Izany no ilazan’ny Soratra Masina hoe : “Sambatra ny maty , dia izay maty ao amin’ny Tompo “ (Apo 14.13).
Fanontaniana:
Efa niatrika ady amin’ny maha- kristiana anao ve ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM