Alakamisy 06 Aogositra 2020.
1 SAMOELA 22.11-23
Tsy takatry ny saina amin’ny maha- olona ny sitrapon’Andriamanitra sy ny drafim-pamonjeny . Mampanontany tena ny zavatra mitranga eto hoe: nahoana no navelan’Andriamanitra hisy ny fandripahana ny mpisorona tao Noba ? Araka ny voalaza eo amin’ny and18 . Izao toe-javatra izao no hisarihana ny saintsika .:
1-Nisy ity famonoana miavaka ny mpisorona tao Noba ity eto , ary raha mamaky ny trangan-javatra talohan’ity isika (toko 21) dia hahita fa tsy mandainga velively i Ahimeleka raha niteny teo anatrehan’i Saoly hoe : tsy nahalala na inona na inona tamin’izay nanampiany an’iDavida , nefa tsy nohenoina izy sy ny mpomba azy fa novonoina ihany . Izany no nisy anefa dia mba ho fanatanterahan ny sitrapon’Andriamanitra ka hanavotana an’i Davida . Eo amin’ny and 22 mantsy dia miteny i Davida hoe : ny fiarovana azy no nahafaty ireo mpisorona ireo .
2-Nisy famonoana miavaka ny zazakely rehetra roa taona no ho midina tao Betlehema sy ny manodidina , satria nahatsiaro ho voa mafy iHeroda noho ny fisian’ny mpanjaka iray vao teraka, izay heveriny fa haka ny toerany , ka indro izy nampanao izany vonoana olona izany . Ny hanavotana ny ain’i Jesoa zaza anefa no anton’izany (Mat 2.13-18) .
3-Miavaka ihany koa ny famonoana an’i Jesoa Kristy nataon’ny olona , ary tamin’izany fotoana izany dia tsy izy irery akory no maty nohomboana tamin’ny hazo fijaliana , satria tena fomba famonoana olona voaheloka izany . Novonoina anefa i Jesoa mba hamonjena ny olona rehetra izay mino Azy noho ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao (Jao 3.16) .
Fanontaniana :
Azonao an-tsaina ve ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra anao ka namonjeny anao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM