Alahady 02 Aogositra 2020.

ASAN’NY APOSTOLY 20.17-24

MAHATOKY  HATRAMIN’NY FAHAFATESANA NY  MINO

Atao hoe : lahateny  fanaovam-beloma nataon’i Paoly  tamin’ireo loholon’ny  Fiangonana naoriny  ny ASA 20.18-35 . Nolazainy  fa mila itoriana ny Filazantsara koa ny toerana hafa . Koa  naneho  izy eto  fa ny toe-panahy  nentiny  nanompo  ny  Tompo  dia :

  1. Tamin’ny fanetrentena sy ranomaso

Ambaran’i Paoly  tamin’ireto  loholona ireto  fa tsy  nanao  kitoatoa  ny asa fanompoany  velively izy  ary vavolombelon’izany  ireto olona niresahany  ireto  . Tena feno fanetretena mihitsy  izy  tamin’izany  , ka na dia nampitomany  tokoa aza ny nanjo  azy  noho ny nataon’ny Jiosy  tamin’ny fanembatsembanana azy  tsy hahavitany   ny fanompoany  .

2-Tamin’ny  fitoriana sy fampianarana izay mahasoa

Nitory ny Filazantsara  sy nampianatra ny kristiana izy tamin’izany  ka nikendry  indrindra izay mahasoa  ny olona fa tsy  nisy eritreritra handany andro  fotsiny  akory  na nanao  izay handrebirebena olona koa . Zava- misy   eo  amin’ny fitoriana  sy fampianarana ny Filazantsata mantsy izany : misy  mody  mitoritory   sy mampianatranatra  eo  fotsiny  nefa zavatra  hafa no tanjony  . I Paoly  kosa dia nitompo  teny fantatra  fa tsy nanao  toy izany  raha nitory  sy nampianatra ny  Fiangonana .

3-Tamin’ny fahafoizan-tena tanteraka

Ny tanjony amin’ny asa fanompoany   dia ny hahatanteraka ny fitoriana ny Filazantsara , ka na inona na inona hahatanteraka izany dia vonona izy , na hatramin’ny ainy aza. Izany  no nanomezana azy anarana hoe : Misionera lehibe indrindra eo  amin’ ny tantara.

Fanontaniana :

Ahoana izany  manao  fanompoana marina ho an’ny Tompo  izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV