Alahady 26 Jolay 2020
2 SAMOELA 7.17-24
Ny olona afahan’ Andriamanitra
1-Mahatsiaro tena ho tsinotsinona
« …Zinona moa aho Jehovah Tompo ô ? Ary zinona ny mpianakaviko novimbinonao …aho ? (and 19)
Naniry hanamboatra trano ho an’i Jehovah i Davida , saingy tsy neken’i Jehovah izany fa nampahatsiahy ny fanafahany sy nanome toky azy kosa i Jehovah fa homba an’i Davida sy ny taranany ka hiaro azy amin’ny fahavalo .Nanoloana izany dia tsaroan’i Davida fa tsinotsinona izy fa Andriamanitra lehibe no manafaka azy . Araka izany , ny olona mahatsiaro fanafahana sy mandray teny fanomezan-toky avy amin’Andriamanitra dia mahatsiaro ny tenany ho tsinotsinona manoloana ny fahalehibiazan’Andriamanitra Mpamonjy Azy , indrindra ny famonjeny tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy .
2-Manaiky ny fitondran’Andriamanitra
« Fa ianao , Jehovah ô no mahalala ny mpanomponao . Noho ny teninao sy araka ny sitraponao… » (and 20.21) .
Rehefa tsy navelan’Andriamanitra hanao ny trano ho Azy i Davida dia nametrakany tokiny amin’ny teny sy ny sitrapon’Andriamanitra ,fa tsy niady hevitra tamin’izany intsony , tsaroany ny efa nitondran’Andriamanitra ny fiainany tamin’ny andro lasa rehetra .Toy izany ihany koa isika ankehitriny, ny olona mahatsiaro ny fitondrana sy fanafahan’Andriamanitra azy tamin’ny andro lasa no manaiky ny fitondrany amin’ny andro ho avy rehetra . Ary izay lehibe indrindra amin’izany dia ny fanantenam-pamonjena sy fanafahana entiny amin’ny alalan’i Jesoa Kristy .
Fanontaniana :
Hatraiza ny fahatsapanao ny fanafahan’Andriamanitra anao ? Hatraiza ny fanekenao ny fitondran’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM