Sabotsy 11 Jolay 2020.

DEOTERONOMIA 29.1-8

Ny Zanak’Isrely efa novonjen’ Andriamanitra teo ambany vahohon’ny fanandevozan’ny Egyptiana no indro anarin’i Mosesy sy afarany tsara .Taomin’i Mosesy àry izy ireo mba :

1-Tsy hanadino ny famonjen’Andriamanitra (and1-6)

« Hianareo efa nahita izay nataon’i Jehovah teo imasonareo ». Tanisain’i Mosesy amin’ny antsipirihany ny famonjena mahagaga efa nataon’Andriamanitra tamin’ireto vahoakany ireto, ary tsy lovan-tsofina na zavatra notantaraina fa tena niainany sy azony notsapain-tànana avokoa , nanomboka tamin’ny fanafahana tany Egypta , ny hanina mahavelona tany anefitra (mana sy rano avy tamin’ny vato) izay tsy misy iombonana amin’ny sakafo nataon’olombelona mihitsy , ary eto amin’ny toerana misy azy ankehitriny . Ho anao koa , tsarovy izay efa nataon’ Andriamanitra ho anao hatramin’ny andronao lasa rehetra mandraka ankehitriny .

2-Hitandrina ny fanekena (and7-8)

« Dia tandremo ny tenin’izao fanekena izao ka araho ».

Tsy natao hotsarovana fotsiny ihany izay efa nataon’ Andriamanitra , fa natao indrindra koa haneken’ny olona hanompo an’ Andriamanitra tanteraka. Eo amin’ny fomba fisainana tranainy , amin’ny fanekena tahaka izao , rehefa miroso amin’ilay fanekena tokoa ny olona fa hanompo an’ Andriamanitra dia mirazotra amin’izay fa toy ny manaiky koa izy fa zon’ Andriamanitra ary azony atao tanteraka ny mikapoka ny olona raha toa ka mivadi-panekena na tsy mankato ny olona . Izany no mahatonga ny hoe: tandremo ny fanekena raha te-hisitraka fitahiana ka hahomby , fa izay tsy mankato dia kapoka sy ozona no miandry azy. Tanteraho àry ny fanekenao hanompo an’Andriamanitra, fa hoy i Jesoa : »Aoka ny teninareo ho eny , eny  » (Mat 5.37) .

Fanontaniana:

Inona tsara moa ny tombotsoan’izay mitandrina ny fanekena ? Inona kosa no miandry izay tsy mankato?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV