Zoma 10 Jolay 2020

ASAN’NY APOSTOLY 26.12-18

Mitantara amin’i Agripa mpanjaka ny nihaonany tamin’i Jesoa sy ny iraka nampanaovin’ i Jesoa azy i Paoly , sady miaro ny tenany rahateo noho ny fiampangan’ny Jiosy tamin’iPaoly no ahafantarantsika fa :

1- Iray Andriamanitra (sy i Jesoa) mpaniraka (and16,17)

« Fa mitsangana ka mijoroa amin’ny tongotrao » , hoy i Jesoa tamin’i Paoly raha lavo tamin’ny tany ity farany . Mampahatsiahy antsika ny fomba niantsoan’Andriamanitra an’i Ezekiela mpaminany io andianteny io (Eze 2.13) . Maneho izany fa tokana ihany Andriamanitra miantso sy maniraka ao amin’ny Soratra Masina manontolo fa tsy araka ny fampianaran-diso ataon’ny sasany . Ny fomba niantsoan’iJesoa an’i Paoly eto mantsy dia tahaka ny fiantsoana ireo mpaminany ao amin’nyTestamenta tamola mihitsy .

2-Iray ihany ny tanjon’Andriamanitra (and18)

Voambolana roa no maneho izany :

Ny voambolana hoe : « Jentilisa » izay lazain’i Jesoa dia misarika antsika hahatsiaro koa ny fiantsoana an’i Jeremia (Jer 1.5,7-8,10) . Ny hevitr’izany dia mihevitra izao tontolo izao Andriamanitra fa tsy ny Jiosy irery ihany akory.

Ny voambolana hoe: « mazava » na fahazavan’ny Jentilisa dia tsy misy valaka amin’ny fiantsoana mpanompo ao amin’ny Isaia 46.6-7 , izay mikendry hitaona ny olona hiala amin’ny maizina misy azy ireo mba ho amin’ny fahazavana , ho afaka eo ambany ziogan’ny satana ka hinoany an’i Jesoa kosa , handraisany ny famonjena . Io iraka nataon’i Paoly tany amin’ny Jentilisa io dia fahatanterahan’ny faminaniana rehetra ao amin’ny Testamenta Taloha . Iray Andriamanitra , iray no tanjony : fanafahana amin’ny maizina , ary ianao koa voakasik’izany .

Fanontaniana :

Inona teo amin’ny fiainana no hahatsapanao fa isan’izay tian’ Andriamanitra hovonjena ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV