Alakamisy 09 Jolay 2020.

1 PETERA 2.13-17

« Manaja ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy . Matahora an’Andriamanitra . Manajà ny Mpanjaka  » (1 Pet 2.17)

Mampianatra ny kristiana izay sady olom-pirenena i Petera .Ambarany fa olona afaka ny kristiana ka ny ho fiainany dia :

1-Fiainana feno fanajana (and17a,e)

Ny mpino eto dia taomina eto ho feno fanajana , ary ny olona rehetra tsy ankanavaka arakaraka ny toerana sy ny sokajiny avy eo amin’ny fiaraha-monina . Tsy ny manam-bola ihany , na izay manana toerana ambony ihany fa « ny olona rehetra » .Ao anatin’izany koa ny mpitondra , na izay heverina ho ratsy fanahy aza dia tokony hajaina (Rom 13.1) . Tamin’ny andron’i Petera mantsy dia i Néron no amperora izay tena nampahory ny kristiana no nitondra . Na i Jesoa aza tamin’ny androny , ohatra , dia nandoa hetra koa mba ho fanajana ny mpitondra (Mat 22.21)

2-Fiainana feno fitiavana (and17b)

Matoateny mitaky asa no ampiasain’i Petera eto. Tsy miandry hotiavina vao mitia fa mitia tsy misy fepetra na takalony . Ny kristiana dia mpitia tsy mila tambiny , ary manahaka an’iKristy isika amin’izany , ny Azy rahateo tsy manahaka an’iKristy isika amin’izany . Ny Azy rahateo , tsy teny fotsiny ny hoe : mitia fa nasehony tamin’ny nahafoizany ny ainy ho famonjena izao tontolo izao na dia tsy mendrika hotiavina aza izao tontolo izao .

3-Fiainana feno tahotra an’ Andriamanitra (and17b)

Ny tahotra ambara teo dia tsy ny tahotra , miteraka horohoro fa tahotra midika fitiavana sy fanajana no heviny , ary ny fitiavana an’ Andriamanitra no loharanon’io tahotra io .Ny hoe : « matahotra an’Andriamanitra » izany eto dia tsy hoe : mihorohoro na mivarahontsana amin’Andriamanitra , fa tia Azy ka manaja Azy ary matahotra ny hampalahelo Azy amin’ny zavatra atao rehetra .

Fanontaniana :

Efa fiainan’ny olona afaka tokoa ve ny iainanao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV