Alarobia 08 Jolay 2020.

JAONA 9.30-38

Mitantara amintsika ny amin’ilay lehilahy teraka jamba ny Mofonaina anio.

1-Izay mino an’iJesoa : jamba fa tonga mahiratra

Hatrany an-kibo dia efa jamba ity lehilahy voatantara eto ity . Teo amin’ny Jiosy dia noheverina fa ny fahotana no mahatonga ny trangan-javatra toy izany , ka na ilay jamba no mpanota na ny ray aman-dreniny .Miova anefa izany rehefa miditra an-tsehatra i Jesoa . Marihana eto fa i Jesoa no nahita ity jamba ity fa tsy ilay jamba no tonga nanatona azy .Maneho izany fa i Jesoa mihitsy no tompo-marika amin’ny famonjena sy fanafahana ny olona . Notantarain’ity lehilahy ity avokoa ny nataon’iJesoa taminy rehefa nanontany azy ny olona . Ary na dia noroahan’ny Fariseo izy , dia i Jesoa koa no tonga nanatona sy nampahery azy . Ianao koa ,aza misalasala mitantara ny fomba nanafahan’iJesoa anao mba hitaomana ny hafa hino .

2-Izay tsy mety mino : mahiratra ihany fa jamba

Eo anatrehan’izany anefa , dia misy andian’olona minia mikimpy sady tsy mino no tsy mety manaiky ny maha-Mesia an’i Jesoa , na dia famantarana lehibe aza no efa nataony . Eto dia voalaza fa  » hatrizay hatrizay dia mbola tsy nisy re fa efa nampahiratra ny mason’izay teraka jamba  » . Ny dikan’izany dia hoe : Andriamanitra irery ihany no mahavita izany . Ireo andian’olona izay mihevitra fa sady mahay Soratra Masina no minia tsy hahita , fa efa ny Mesia io miasa io . Ny manevateva ilay lehilahy nino indray no nataony . Mihiratra ao anatin’ny aizina ireto Fariseo ireto ka tsy misy na nona na inona hitany . Aza mba jamba tahaka ireo Fariseo ireo.

Fanontaniana :

Raha mandinika ny tenanao ianao , iza amin’ireo no mitovy aminao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV