Talata 07 Jolay 2020.

MARKA 3.13-19

Ny niantsoan’iJesoa ny mpianany 12 lahy no tantarain’ity perikopa ity . Galiliana avokoa izy 12 lahy , na dia misy manana anarana Grika aza toa an’i Filipo sy Andrea .

1-Ny toerana nifidianan’i Jesoa azy ireo (and13)

« Teo an-tendrombohitra  » no niantsoan’iJesoa ireto mpianany ireto , maneho ny tena hasarobidin’ny fiantsoana azy . Midika fa tsy zava-poana na kisendrasendra ny fiantsoana .Raha ny Filazantsara araka an’i Marka dia teny amoron-dranimasina hatrany no nihaonan’iJesoa amin’ny olona sy hampianarany azy ireo . Fa rehefa hanao zava-dehibe ihany , na hivavaka lavitra ny olona Izy vao miakatra any an-tendrombohitra . Ho antsika izay nantsoin’iJesoa hanambara ny fanafahana avy aminy , hitoriteny sy hamoaka demonia , tsarovy fa tsy zava-maivana io fiantsoana io .

2-Ny isan’izy ireo (and16-19)

« Roa amin’ny folo ahy » no voalaza fa isan’ireo mpianatra nofidin’iJesoa . Galiliana avokoa izy ireo araka ny efa voambara teo aloha, izany hoe : tsy olona ambony , tsy mpanan-karena , tsy tapi-pahaizana . Fa ny isa 12 koa dia manana heviny manokana , mampahatsiahy ny fokom-pirenan’Israely 12 , ny isan’ny Mpitsara 12 …Araka izany raha 12 lahy no nantsoin ‘i Jesoa dia tiany haseho fa te-hamonjy ny vahoakan’ Andriamanitra , tsy ankanavaka Izy . Izany koa no manazava ny hoe : rehefa namono tena i Jodasy dia nosoloina mba ho feno 12 ihany ny isan’ny mpianatra . Mpitondra famonjena ho an’ny olona rehetra mihitsy ny olona nantsoin ‘i Jesoa ka tokony hanefa izany iraka izany araka ny tanjon’iJesoa , fa efa nobaikony rahateo hoe : « Mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra « .

Fanontaniana :

Inona no ataonao hitandrovana tsara ny antsonao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV