Alahady 05 Jolay 2020.
ISAIA 51.9-11
Jehovah ihany no mpanafaka
1-Azo antoka ny heriny (and9)
« Mifohaza , mifohaza ry sandrin’i Jehovah , mitafia hery... » ireo andianteny ireo dia milaza ny herin’i Jehovah , hery tsy hay tohaina , hery tsy miova ary hery azo ianteherana. Koa izany indrindra no mahatonga ny vahoakan’ Andriamanitra miantoraka aminy sy miandrandra ny heriny hanafaka azy ireo .
2-Mahagaga ny efa vitany (and10)
« Tsy ianao va ilay nahamaina ny ranomasina ... ». Tsy zavatra vao andramana akory ny herin’i Jehovah fa efa nasehony teo amin’ny tantara , ary efa niharihary tamin’ny fitondrany ny fiainan ‘ireto vahoakany ireto hatramin’ny fahiny .Tsy miantoraka amin-kazo tsy fantatra akory araka izany ny olony .Tsy diso làlana ianao raha mitoky amin’ny herin’i Jehovah.
3-Mahavotra ny vahoakany Izy (and 11b)
« Eny , ny navotan’iJehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ny fihobiana... ». Noho ireo antony roa voalaza teo ambony dia mahazo toky ary feno fanantenana ireto vahoaka babo ireto fa mahavotra azy ireo i Jehovah ary hitondra azy ireo hiverinz any amin’ny taniny , dia ilay tany efa nianianan’iJehovah tamin’ny razany fa omeny ho lovany . Ny toloko sy alahelon’ny olona lavitra an’i Jerosalema dia fantany fa hain’ Andriamanitra aravona ka hody fifaliana sy fihobiana satria Andriamanitra mahery Jehovah . Azo antoka ny heriny , mahagaga ny efa vitany ary tsy miova Izy . Ary moa va tsy fanavotana tahaka izany no nataon’i Jesoa hanafaka antsika amin’ny fahotana ?
Fanontaniana:
Efa nodinihanao ve ny asa mahagaga nataon’ny Tompo teo amin’ny tantaranao ? mitondra inona ho anao izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM