Zoma 03 Jolay 2020.

LEVITIKOSY 25.8-13

Ny taona fahadimampolo no ambaran’ny Soratra Masina eto fa taon-jobily , taom-panafahana,taom-pifaliana ihany koa , ary tanisaina eto ny amin’izay tokony hatao rehetra amin’izany .Mampianatra antsika koa anefa ny Soratra Masina eto ny amin’ny fomba fanambarana ny fanafahana.

Ambarao àry ny fanafahana

1-Ho ren’ny olona rehetra (and9)

Voalaza eto hoe: « Dia mitsofa anjomara avo feo… »,izany hoe: tsy afenina fa atao ren’ny olona rehetra tsy ankanavaka ny fanafahana avy amin’ny Tompo araka ny fandaminany rahateo .Ny anjomara mantsy dia zava-maneno efa natao ho re ,fa tsindriana mafy eto hoe: « avo feo« ,mba tsy hisy na dia olona iray aza tsy handre. Ary rehefa mandre ny olona rehetra dia hanatanteraka ny fomba sy ny fanao rehetra mifanaraka ary aoka handre ny olona rehetra , fa efa tonga ny mpanafaka , ary tsy miandry dimampolo taona fa mitondra ny fahafahana ho an’izay rehetra mandray Azy na izao dia izao aza izany , tsy iza izany fa i Jesoa .

2-Satria manana anjara amin’izany ny olona rehetra (and10)

Voalaza eto koa hoe: « ary hamasino ny taona fahadimampolo ka miantsoa fanafahana amin’ny tany ho an’ny mponina rehetra ao aminy » , izany hoe: tsy atao mandre fotsiny ny olona fa atao tsapany mihitsy koa fa izy koa dia manana anjara amin’izany fanafahana izany ka tsy tokony hisalasala , hiaina io taom-panafahana io . Isika koa dia manana adidy ,tsy ny hampandre ny olona fotsiny hoe : manafaka na vonona hanafaka i Jesoa , ary izao no fotoana ,fa ny hanao izay hahatonga azy hahatsiaro fa tsy diso anjara amin ‘izany izy .Torio ho ren’ny olona i Jesoa , ary ampio hahatsapa fa ho azy indrindra izany .

Fanontaniana:

Ahoana no hahazoana manao izay hahatsapan’ny olona fa ny fanafahana entin’i Jesoa dia ho azy ireo koa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV