Oniversity FJKM/Fitokanana

Oniversity Ravelojaona Ampandrana

Miroso amin’ny fananganana trano lehibe fahatelo.

Notanterahina ny marainan’ny sabotsy 13 Jona 2020 ny fanompoam-pivavahana sy fametrahana ny vatofehizoron’ny trano vaovao fahatelo eo an’ivon’ny onivesity Ravelojaona Ampandrana. Ny filohan’ny FJKM, Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi Mpitandrina no nitarika izany asa vavolombelona izany. Ny Romana 13.8-10 no nitondrany hafatra roa mazava manodidina ny hoe: Aza avela hisy tsy voaloa ankoatry ny fifankatiavana ary aza reraka mifankatia. Mba ho asa vita ao anaty fifankatiavana izao asa izao hoy ihany izy teny am-pitsofan-drano ny asa nialoha ny fametrahana ny vatofehizoro.

Ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana RAKOTONDRAINY Jaona, Mpitandrina no nitondra amim-bavaka ny asa, ary ny Doyen eny amin’ny Faculté de Théologie Ambatonakanga kosa ny Dr. RAMAMBASON Laurent Mpitandrina no nanao ny vavaka teo am-pametrahana ny vatofehizoro .


Saika hanorenana kianja  » complexe sportif » ity toerana ity saingy noho ny hamaroan’ ny mpianatra dia trano afahana manitatra efitrano hinarana ary efitrano lehibe hivavahana « Chapelle » no haorina hoy ny rektora Dr Ratsimandisa Zo, Mpitandrina. Ny 13 Mey 2020 teo no nitokanana ilay trano faharoa misy efitra 13. Anisan’ny niatrika ity fotoana ity: ireo filankevi-pitantanana eo anivon’ny oniversity Ravelojaona sy ireo mpampianatra isan-tokony.

FJKM website team

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV