Zoma 29 Mey 2020.

GALATIANA 5.16-26

Ny olona mandeha araka ny Fanahy

Mitaona ny fiangonana tao Galatia mba hiaina amin’ny fitondrantena kristiana i Paoly Apostoly .

1-Mandresy ny asan’ny nofo

Manao antso avo i Paoly Apostoly fa tokony handeha araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina ny mpino kristiana mba handreseny ny asan’ny nofo.Singa roa mifanohitra eo amin’ny fiainan’ny olona ny nofo sy ny fanahy . Ireo dia samy misarika ny olona ho amin’ny làlana tiany hitondrana azy. Rehefa manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina anefa ny mpino dia resy tosika ny asan’ny nofo izay mitondra ho amin’ny fikorontanana, fahafatesana, fisarahana. Resin’ny mpino izany asan’ny nofo izany rehefa omena toerana ao am-po ny Fanahy Masina , mba hitarika azy.

2-Manao asa tsara

Rehefa manapaka sy mitarika ny olona ny Fanahy Masina dia manana toe-panahy tena miavaka ny olona . Hita taratra eo amin’ny fiainana andavanandro sy eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa izany .Hoy ny voalaza :« Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana ».Miaina amin’ny fitiavana mahay mitia ny olona rehetra ny olona manana ny Fanahy Masina .Fitiavana izay mikendry mandrakariva fanasoavana ny hafa , firindram-piainana eo amin’ny fiaraha-monina (and22-23) Tsarovy fa iJesoa Kristy Tompontsika dia nanao asa tsara teo amin’ny fiaraha-monina nisy Azy. Meteza ianao hotarihan’ny Fanahy Masina , mba ho tena mpianany marina tokoa.

Fanontaniana:

Nahoana no misy fokorontanana ,fifamaliana ,adiady indraindray eo anivon’ny sampana ,ny fiangonana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV