Alahady 24 Mey 2020.
2 SAMOELA 23.1-7
Ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao amin’ny olony
Hitantsika eto ny teny farany nataon’i Davida mpanjaka :teny izay nentiny nijoro vavolombelona tamin’izay asan’ny Fanahin’ Andriamanitra teo amin’ny fiainany.
1-Manavaka
Aseho fa tena miavaka taminn’y olona rehetra i Davida noho ny asan’ny Fanahin’Andriamanitra teo aminn’y fiainany.Voahosotra ho mpanjakan’Israely izy .Teo koa ny fanomezam-pahasoavana ka nahafahany namorona Salamo fanehoana ny finoany an’ Andriamanitra .Tsarovy àry fa rehefa mitoetra ao anatinao ny Fanahy Masina dia avahan’ Andriamanitra amin’ny olona rehetra ianao . Ary ho fanampin’izany ny fanomezam-pahasoavana samihafa izay entinao manompo Azy ho fanehoana ny finoana.
2-Mampahatsiahy ny teny fampanantenana
Isan’ireo mpanjaka tena niavaka i Davida .Mpanjaka filamatra teo amin’Israely izy . Nampanantenain’Andriamanitra izy fa hisy hatrany amin’ny taranany hanapaka eo amin’Israely . Noho ny fitarihan’ny Fanahin’Andriamanitra dia indro izy maneho ilay taranany , Ilay Mpanjaka ho avy hanapaka ny olona amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra , hitondra fahazavana sy fiainana, eny famonjena ho an’ny olona rehetra .Tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy io teny fampanantenana io . Araka izany , ny mpino manana ny Fanahin’ Andriamanitra dia mampahatsiaro hatrany ny teny fampanantenana mba ho fampaherezana ny hafa.
Fanontaniana :
Hainao ve ny mampiasa ny fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM