Sabotsy 16 Mey 2020.

1 SAMOELA 10.1-8

Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny olom-boafidy

Ny nanosoran’i Samoela an’i Saoly ho mpanjakan’Israely no Soratra masina voalahatra ho antsika.Nambaran’i Samoela fa mifamatotra amin’izao fanosorana tamin’ny alalan’ny menaka izao no handraisan’i Saoly ny Fanahin’Andriamanitra izay hisy akony lehibe eo amin’ny fiainany .

2-Manavao

Mazava tsara ny teny  » ho voaova ho olom-baovao« .Manavao tanteraka ny olona ny Fanahin’Andriamanitra tonga eo amin’ny fiainany .Manana fiainam-baovao sy mitafy toetra vaovao izay nomen’Andriamanitra ny Fanahiny. Isika rehetra ihany koa, izay efa nandray an’i Jesoa Kristy ho Tompontsika ka nandray ny Fanahy Masina , dia tsarovy izao : raha ekentsika ho mpitarika antsika ny Fanahy Masina dia tonga olom-baovao, miaina amin’ny fiainana vaovao isika .

2-Mankato ny sitrapon’ Andriamanitra

Tsy hoe : lasa olom-baovao fotsiny ihany i Saoly fa « hiara-maminany »amin’ireo mpaminany mifanena aminy eny an-dàlana . Tonga mpaminany izay milaza sy manambara ny hafatr’Andriamanitra .Midika izany fa nohon’ny asan’ny Fanahin’Andriamanitra dia tonga olona mandray, mankato ny sitrapon’Andriamanitra izy ary milaza sy manambara izany amin’ny hafa .Tsarovy fa raha manaiky hotarihan’ny Fanahy Masina isika dia mandray sy mankato ny Tenin’Andriamanitra ary mizara sy manambara izany amin’ny manodidina antsika .

Fanontaniana:

Inona no fanavaozana nentin’ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainanao ? Hazavao .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV