SLK/ Fandaharana iombonana 2020.

Sampana Lehilahy Kristiana

« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika ry Lehilahy mahery…….

( 2Timoty 1 : 8a ; Mpits. 6: 12b)

Ankatoavy ny Fitarihan’ny Fanahy Masina”

Fandaharana Iombonana

Alahady 10 Mey 2020



-MAMPIASA NY FANOMEZAM-PAHASOAVANA,

-LEHIBE AMIN’NY FINOANA

-MITOMBO AO AMIN’I KRISTY.

( Efes 4 : 11 – 16 )

Be hery ny lehilahy Hendry, eny mitombo hery ny olona manam-pahalalana”


HAFATRA

“Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika ry lehilahy mahery”(II Tim. 1, 8a; Mpits. 6, 12b )

Ry lehilahy, malalan’Andriamanitra sady voantso no masina; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo. Amena
Izany tenin’ny Apostoly Paoly izany no iarahabana antsika malalan’Andriamanitra izay nantsoiny niala tao amin’ny maizina ho amin’ny Fahazavany mahagaga noho ny fahatrarantsika indray ity Alahady izay natokana hitrotroana ambavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana Ity.
Isaorana ny Tompo Jesoa fa tontosa soaman-tsara tamin’iny taona lasa iny fanavaozana ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny sampana sy sampanasa ary asa eto anivon’ny FJKM, iray amin’ireny isika Sampana Lehilahy Kristiana. Ny teny filamatra tany amin’ny zaikabe izay hanompanantsika indray ny asa ao anatin’izao taom-piasana 2019-2023 izao dia ny hoe : “Lehilahy Kristiana : Mampiasa ny fanomezam-pahasoavana, Lehibe amin’ny Finoana , Mitombo ao amin’i Kristy.” Efes. 4,11-16


Mandritra ny taom-piasana 2019-2023, ny Birao ny Sampana Lehilahy Kristiana Foibe dia manao laharam-pahamehana ny Fanatsarana ny fitantanana rehetra (ara-bola, ara-pitaovana, maha olona) mba ho modely
eo amin’ny ambaratongan-drafitry ny SLK, araka ny Fahamarinana, satria “Jesoa Kristy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana…..” Jaona 14, 6 sy ny hoe: “Tsy misy fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny Fahamarinana ny zanako” III Jaona 1, 4. Koa hiezaka isika rehetra mba ho modely alaintahaka eo amin’ny lafiny rehetra.
Misaotra an’Andriamanitra amin’ny fahavitan’ny asa “IVONTOERANA S.L.K. F.J.K.M.” any Foulpointe /SP 31 Toamasina Vavahadin’ny Filazantsara sy antsika rehetra nitrotro am-bavaka ary indrindra ny fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny alalan’ny tetikasa CCPREAS tamin’ny nanekeny, ny fangatahina nanohy sy namita ny ivotoerana. “Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny
fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany.
” Heb. 6, 10. Miandry ny fitokanana ny trano isika,raha sitrapon’ny Tompo Jesoa Kristy, ary manentana antsika LEHILAHY KRISTIANA F.J.K.M amin’ny fampitaovana ny ivotoerana.Maneho ny fisaorana ny SLK SP 37 koa isika amin’ny fiaraha-miasa ho fampitomboana ny machine fanaovana ny mofompandraisana, izay efa antitra tokoa. Miandry ny fahatongavan’ny machine Mofo
mpandraisana vaovao nafarana isika ankehitriny.Misaotra ary manentana hatrany antsika amin’ny fandrotsahana ny rakitra atao amin’izao fotoana hitrotroana am-bavaka ny SLK Foibe izao, izay naraikitra amin’ity fandaharana Iombonana ity ny nandrotsaka izanynanomboka ny volana Martsa 2019 ka hatramin’ny volana Martsa 2020. Raha misy ny mety ho latsaka na tsy voasoratra dia iangaviana am-pitiavana mba hanatona ny Foibe FJKM varavarana 501 na hiantso ny laharana 0342088311 (Tonia).
Farany, ny Tompo Jesoa Kristy dia mila S.L.K. : SAHY mitory ny FAHAMARINANA, LIANA amin’ny Soratra Masina, manana KETRIKA (paikady) mahomby eo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ary MANKATO NY FITARIHAN’NY FANAHY MASINA.
Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra.

Antananarivo, faha 27 Martsa 2020

Ny Filoha

RAKOTOHERISOA Benjamin Désiré

Ny Tonia

RAMIANDRANIRINA Nahitantsoa Avotra,

Mpitandrina
HAFATRY NY ZAIKABE FAHA VII

« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, ry lehilahy mahery” (2 Tim. 1:8; Mpits. 6, 12b)
Ry Havana,
“Ho aminareo anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa
Kristy Tompo.”
Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika fa tanteraka soa aman-tsara ny ZAIKABE FAHA VII ny
Sampana Lehilahy Kristiana ny 10-11 OKTOBRA 2019, izay notanterahina teto amin’ny Synodamparitany
Atsimo Atsinanana FJKM Manakara Fiderana.

  • Isaorana ny Mpiandraikitra foibe Mpiahy ny SLK Atoa RAKOTOMANDIMBINDRAINIBE
    Mamisoa sy ireo Mpiandraikitra Foibe tonga nanatrika izao ZAIKABE izao.
  • Ankasitrahana ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana Atoa RAKOTONINDRAINY Jaona
    Mpitandrina nitondra ny tenin’Andriamanitra sy nitarika tamin’ireo fanavaozana rehetra.
  • Ireto ny fehin-kevi-dehibe tsara ho fantatra avy amin’izany:
  • Ny teny faneva ho banjinina amin’izao taom-piasana ho avy izao dia: “Miorena tsara aza miova ry
    lehilahy mahery” IKor 15: 58a; Mpits. 6:12 a
  • Ny toerana hanatanterahana ny fihaonambe 2021 : Fort Dauphin SP 07
  • Toerana hanatanterahana ny fihaonambe sy zaikabe 2023: Vatomandry SP 32
    Farany, mampahery sy mirary soa ho antsika rehetra, indrindra fa ny SLK manerana ny tany eo
    amin’ny fitoriana ny filazantsara sy fijoroana ho vavolombelon’ny Tompo Jesoa lohan’ny Fiangonana sy ny
    lehilahy rehetra. Aoka ho tsapa sy hisongadina eo amin’ny teny, asa fitondrantena isika SLK.
    “Miorena tsara aza miova ry lehilahy mahery” IKor 15: 58a ; Mpits. 6:12 a
    Ho voninahitry ny Tompo Ray, Zanaka ary Fanahy Masina.
    Ho laza tsara ny fiangonana FJKM ho hery sy tanjaka ary reharehan’ny Sampana Lehilahy Kristiana.
    Ho fahasoavana ho an’ny rehetra sy izao tontolo izao.
    “Ho aminareo rehetra izay ao amin’ny Kristy anie ny fiadanana”(I Pet 5:14b)
  • Indreto ary ny anaran’ny Tonia sy ny Birao hiara-hiasa mandritra ny taompiasana 2019 – 2023
    Ny Tonia: RAMIANDRANIRINA Nahitantsoa Avotra, Mpitandrina
    Ny Filoha: RAKOTOHERISOA Benjamin Désiré SP 19
    Ny Filoha Mpanampy: RANDRIAMAMPITA Tovomanjato N., Mpitandrina SP 19
    Mpitantsoratry ny PV: RAMANATSALAMA Lovasoa Hasina Mpitandrina SPAA 12
    Mpitahiry vola: RANDRIANOMENJANAHARY Mamy Gaston SP 11
    Mpitantsoratry ny vola: RAKOTONIAINA Tianasoa Désire SP 38
    Mpanolontsaina: TOTOFENO Théis Elia Mpitandrina (FJKM Vatomandry SP 32)
    RAKOTONDRAZAKA Volatantely SP 01
    Mpandinimbola: RANDRIANARIVONY Marka Daniela SPAA 10
    RANARIJAONA Jean Jacques Mpitandrina SP 13
    ANDRIAMIHAJASOLOMALALA SPAA 1
    Manakara, 11 Oktobra 2019
  • Ny Filohan’ny Zaikabe

RAKOTOHERISOA Benjamin Désiré

Ny Filohan’ny SLK Foibe

RAKOTOZAFY Solofoniaina ,Mpitandrina

……………………………………………………………………………………..

FANDAHARANA IOMBONANA

“Ankatoavy ny Fitarihan’ny Fanahy Masina”

HIRA: Mijoro ny lehilahy

  1. Fiarahabana Apostolika
  2. Fisaorana sy fiderana
     Sal. 30, 1-5
     Hira 14
  3. Vavaka fiderana
  4. Fanambarana sy Sitrapon’Andriamanitra
     Gal. 5, 13. 16 « sambatra ny mahitsy lalana ….. »
     Hira 437 1
  5. Fiaiken-keloka
     449 4, 6
  6. Famelan-keloka atolotr’Andriamanitra
     Isa. 54, 7-8 ; Rom. 5, 8 « Sambatra ny olona izay voavela ny helony….. »
  7. Fanambarana ny finoan’ny Fiangonana
     Fanekem-pinoana laharana faha II
  8. Asan’ny Fiangonana
     Raharaham-piangonana
     Rakitra
     Fanolorana ny rakitra Hira 109 4
  9. Tenin’Andriamanitra
     Fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora
     Hira 243 1, 2
     Vavaka
     Famakiana Soratra Masina
    o Job. 27, 1 – 10
    o Lio. 12, 8 – 12
    o Rom. 15, 14 – 21
  10. Toriteny
     Feon-javamaneno
  11. Vavaka fangatahana
  12. Asa vavolombelona
  13. Famaranana
     Hira 701 1, 2
     Tso-drano
     Hira 701 3
  14. Vavaka mangina
    « Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen. »

TORITENY

LIOKA 12:8-12

Lohahevitra:ANKATOAVY NY FITARIHAN’NY FANAHY MASINA.”
“Ho an’izay rehetra, S.L.K, malalan’Andriamanitra sady voaantso no masina; Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo.” (Rom. 1, 7)
Ny Soratra Masina izay andraisantsika ny hafatry ny Tompo Jesoa amin’izao alahadin’ny S.L.K FJKM 2020 izao ,sady iainantsika ny lohahevitry ny volana Mey manao hoe “ANKATOAVY NY FITARIHAN’NY FANAHY MASINA”dia ny Filazantsaran’ny Tantaram-pamonjena na ny Filazantsara araka an’i Lioka dia ny LIO. 12, 8-12.
Eto amin’Ity Perikopa ity;I Jesoa Kristy, nandritra ny Asa fanompoana nataony tao Galilia, dia
nananatra sy nanome toky ny Mpianany sy ireo Mpanaradia izay milaza tena ho mpomba Azy mba hijoro
tsara sy ho mendrika izany anarana izay. Nitaona azy ireo hanana fanapahan-kevitra mazava sy mari-pototra
manoloana ny zavatra hitranga sy hateraky ny fanarahana Azy ny Tompo. Tena m mahakasika antsikaKristiana rehetra ihany koa izany; ary miantefa manokana ho antsika Sampana Lehilahy Kristiana FJKM amin’izao alahadin’ny SLK sady Vanimpotoanan’ny Andro farany izay hijoroantsika ho Vavolombelon’I Jesoa Kristy eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina izao.

“S.L.K Mankato ny fitarihan’ny Fanahy Masina”


1) Lehilahy manaiky sy manambara an’I Jesoa ho Tompo (and. 8-10)
Mazava ny fanambaran’I Jesoa Kristy momba ny fanapahan-kevitra ataon’ny olona rehetrampanara-dia ny Tompo eto. Mitovy ary miankina amin’ ny fanapahan-kevitra nateraky ny safidy atao ary ambaran’ny olona mpomba an’I Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny teny,fihetsika eo anatrehan’ny fiaraha-
monin’olombelona ny ho fanapahan-kevitra hataon’ny Zanak’olona (Anarana nanambaràn’I Jesoa ny tenany, Ilay Mesia efa nambara fa ho avy haneho ny hery sy voninahitra ary hitsara an’izao tontolo izao
Dan. 7, 13) manoloana ny fitsaran’Andriamanitra ho avy. Takian’ny Tompo amin’ny Mpianany mantsy ny hananan’izy ireo fiainana mifanaraka amin’ny maha-Mpianatra: tsy mihatsaravelatsihy, tsy hiteny ratsy ny
Fanahin’ny fahamarinana hatahotra sy hanaja an’Andriamanitra izay tompon’ny teny farany amin’ny zavatra rehetra. Ny fanekena an’I Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy sy ny fanarahana Azy dia tsy mijanona
hosafidy nataon’ny olombelona sy ho an’ny tena fotsiny, tsy ho fanapahan-kevitry ny saina na ho fihetseham-po fa finoana iainana avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra ka tsy maintsy hambara sy ampahafantarina amin’ny teny sy ny asa ary ny fitondran-tena, fiaina eo anivon’ny fiaraha-monina. Izany no tena Mpianatra marina sy MpankatoI Joba, ilay lehilahin’Andriamanitra tonga ohatra ny amin’ny faharetana, indrindra ny amin’ny fifikirana amin’ny finoana sy ny fahamarinana araka an’Andriamanitra dia naneho izany toetra maha-Mpankato ny Tompo Andriamaniny na dia nianjadian’ny fitsapana, fanenjehana, fahoriana maro lafy aza. Nanana ny Fanahin’Andriamanitra nitarika azy izy ka nitoetra ho mahatoky teo anatrehan’ Ilay Mpanavotra azy (Job. 19, 26-29).
Isika Lehilahy Kristiana izay manara-dia ny Tompo Jesoa ihany koa dia tokony haneho ny maha- kristiana antsika. Hijoro sy hiaina ho tena Lehilahy (Lohan’ny vehivavy sy ny ankohonana, Mpitarika sy
tomponandraikitra voalohany eo amin’ny fiaraha-monina) sy hanao sy hitana ny tenin-dehilahy ka hanao Eny; eny mandrakariva amin’ny Sitrapon’Andriamanitra rehetra ary hanaiky sy hankato araka izay
hitarihan’ny Fanahy Masina antsika. Araka izany dia andeha isika hifampitaona ka hanao dingana lehibe fiainana kristiana. Ny Voalohany sady lehibe indrindra amin’izany dia ny fandraisana an’I Jesoa
Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ho an’ny tena sy ny ankohonana ary ho porofo sy hikolokoloana izany fanampahan-kevitra tsara sy azo antoka izany ny fidirana ho Mpikambana ao amin’ny Sampana S.L.KFJKM.


2) Lehilahy Sahy mijoro ho Vavolombelona marina
Efa nambaran’ I Jesoa mandrakariva tamin’izay mpanara-dia Azy ireo zavatra hitranga sy ny vokatry ny fanarahany ny Tompo eto an-tany na ho mandrakitray. Anisan’ireny ny fanenjehana, ny fampijaliana, ny fisamborana sy ny fitsarana azy ireo eo anatrehan’ireo Manampahefana sy Tomponandraikitra Jiosy ary ny hafa firenena aza. Manoloana izany; satria efa nanao safidy tsara ny homba an’I Jesoa avy any Nazareta; izy ireo dia nanome toky sy fampanantenana ho azy ireo ny Tompo fa hanome ny Fanahy Masina (Parakleto=Mpampahery, mpanolo-tsaina, Mpisolo-vava) ho eo anilany,ho ao anatiny hanala ny tahotra sy ny ahiahy,handevona ireo endrim-pahalemena rehetra izay mpahazo ny olombelona. Ny Fanahy Masina, izay Tompo sady Mpanome aina, no hampianatra, hananatra, hanome ny teny, ny valiteny mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy mifanaraka amin’ny maha-Mpianatr’I Kristy (Vavolombelona marina)azy ireo.I Paoly Apostoly, ilay lehilahy mahery fo teo amin’ny fitoriana ny Filazantsara dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fanompoana nataony teo amin’ny Jentilisa. Tanteraka izany noho ny Fitarihan’ny fanahy Masina sy ny fahasoavan’Andriamanitra. Amin’ny maha-mpanompon’I Kristy Jesoa azy. Toy izany koa isika Mpino kristiana dia tokony hanana fahatokiana sy fahasahiana amin’ny fitoriana ny
Vaovao mahafalin’ny Famonjen’ Andriamanitra, izay tanteraka tao amin’I Jesoa Kristy ary natao ho an’nyolona rehetra. (Rom.15, 14-21).
Farany, miantefa ho antsika S.L.K koa izany fampanantenan’ny Tompo antsika eo amin’ny maha-“Lehilahy mahery “ antsika.Araka ny tarigetrantsika hoe” Lehilahy mitombo amin’ny fahatsarana, mitombo
amin’ny hamaroana, mirindra amin’ny fomba fiasa”. Ho Lehilahy kristiana tsy mihemotra eo anoloan’ny
zava-tsarotra atrehany, tsy mivadika amin’ny teny sy fanekena nataony, Mpankato ny Tompo Andriamanitra
Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina; vonona sy sahy, mahatoky sy manetry tena tokoa anie isika. Izany mantsy no “Lehilahy Mankato ny Fitarihan’ny Fanahy Masina”; eny izany no Tena Lehilahy Mpianatr’I Kristy marina.Hoy mantsy i RABARY “Ny lehilahy zero, zero ny fahavalony. Ny lehilahy kely, kely nyfahavalony. Ny lehilahy lehibe, lehibe ny fahavalony”.
Ry Lehilahy Kristiana sy izay rehetra Mpikambana ato amin’ny S.L.K Ô! MIJOROA!
Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahin’ny fahosana isika fa fanahin’ny hery sy ny fitiavana ary ny fanoloran-tena; Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika ianao…Ry Lehilahy mahery!” (IITim.1, 8a; Mpits. 6, 12b)
Homba ny fanahinao anie ny Tompo! Ho aminareo anie ny fahasoavana
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra!

RAMANANTSALAMA Lovasoa Hasina, Mpitandrina
Mpitantsoratry ny SLK FJKM

Rakitra sy adidy 2019

TAONA 2019 Hatramin’ny 18/03/20
SP AFOVOANY ANDREFANA  (01)
 SP 01Adidy 201950 000 
1Ambatolava Karmelarakitra 201910 000 
2Ambatomitsangana K.Mpandresyrakitra 201910 000 
3Ambohimena Jerosalemarakitra 20194 600 
4Ambohitrimerina Fanantenanaraitra 201929 600 
5Amboniriana Fanantenanarakitra 20193 000 
6Ampangabe Betlehemarakitra 201968 400 
7Amparihikely Fanavaozanarakitra 201910 000
8Andavabato – Estrakitra 20193 500 
9Andavabato Fahasoavanarakitra 20195 700 
10Androvakely Fihavaozanarakitra 20197 700 
11Imeritsiafindra Ambohitrandrianarakitra 201948 900 
12Mahabo Antongonarakitra 201914 000 
13Mahitsitady Fihavaozanarakitra 201911 000 
14Malaza Kristy Fanantenanarakitra 20192 400 
15Manankasina Fanantenanarakitra 201915 000
16Mangaberakitra 201925 100 
17Marianina Hermonarakitra 201919 000 
18Miadampahonina Fahazavanarakitra 201938 150 
19Soavimbazaharakitra 201915 700
20Tsimatahodaza Vavolombelonarakitra 20195 000 
 TOTAL 306 050 
 SP AFOVOANY ATSINANANA ( 02)
 SP 02Adidy 2019 
1Antanifotsy Finoanarakitra 20193 000 
2Antanifotsy Finoanarakitra 20204 000 
3Mahambo Filadelfiarakitra 201912 200 
4Sainte Marierakitra 201946 000 
 TOTAL 65 200 
 SP ALAOTRA CHROME  (03)
 ALAOTRA CHROMEADIDY 2018100 000 
1Ambohitrarivo Karmelarakitra 2018/1928 600 
2Amparafaravolarakitra 201951 140 
3Faneva Famonjena Ambohipenorakitra 201913 500 
4Manakambahinikelyrakitra 20197 300 
5Mivavaka Amborompotsyrakitra 201913 000 
6Moria Antsakoanarakitra 20197 000 
7Tanambe Fitiavanarakitra 201940 300 
 TOTAL 120 540 
 SP AMBALAVAO TSIENIMPARIHY  (04)
 SP 04ADIDY 2019 
 P E Andonaka Finoanarakitra 20195 000 
 SP AMBATONDRAZAKA VAOVAO ( 05)
 SP 05Adidy 2019100 000 
1Ambatondrazaka Fitiavanaraitra 201940 000 
2Ambohidava Fitiavanarakitra 20194 000 
3Ambohimiangaly Zoararakitra 201980 700 
4Andilamena Fanavaozanarakitra 201915 000 
5Andilanomby Firaisanarakitra 20195 600 
6Andranovelona Famonjenaraitra 201911 500 
7Andromba Edena Vaovaorakitra 201916 500 
8Antokazo Betelarakitra 20196 000
9Didy Fahazavanarakitra 20195 000
10Didy Nazaretarakitra 201912 000 
11Fanavaozana Andilamenarakitra 202015 000
12Miarinarivorakitra 201915 000
 TOTAL 185 300 
 SP AMORON’I MANIA  (06) 
 SP 06ADIDY 2018-2019160 000  
1Ambatomasina KFrakitra 20192 000  
2Ambohipiarakitra 20195 200  
3Ambondrona Fildelfiarakitra 20191 500  
4Amongy Lazzarakitra 201915 300  
5Fandrianarakitra 201914 200  
6Iakarina Finoanarakitra 20191 500  
7Mandritsara Zionarakitra 201918 600  
8Mandrosoa Fitiavanarakitra 201910 000  
9Nanandrana Firaisantsoarakitra 20193 400  
10Sandrandahyrakitra 201912 000  
11Vohimarina Fitiavanarakitra 20191 500  
 TOTAL 85 200  
 SP AMBOVOMBE ATSIMO  (07) 
 SP 07ADIDY 2017/18/19150 000  
1Salema Vaovao Fort- Dauphinrakitra 2019186 900  
 SP ANDREFAN’ATSIMON’ANKARATRA MIARADIA (08) 
 SP 08Adidy 2019100 000  
1Ambohimena Fanantenanarakitra 201953 350  
2KAMAFA Antsiraberakitra 2019331 400  
3Antsirabe Filadelfiarakitra 2019169 400 
4Antsirabe Fitiavanarakitra 201980 000 
 TOTAL 384 750  
 SP ANDRONA ATSINANANA MIARA- MIFOHA  (09) 
 SP 09Adidy 2018-2019120 000  
1Antsahabe Finoanarakitra 201940 000  
2Oliva Fitiavana Befandrianarakitra 201940 000  
 TOTAL 80 000  
 SP ANTANANARIVO ANDREFANA  (10) 
 SPAA 10Adidy 2019240 000  
1Ambalavao Isotryrakitra 201950 700  
2Ambaniala Malalarakitra 2019101 000  
3Ambatolampy Fahazavanarakitra 201950 000  
4Ambatolaona Fanasina sy Fahazavanarakitra 201931 800  
5Ambatomenarakitra 2019150 000 
6Ambatomena Anosialarakitra 201921 850  
7Ambavahaditokana Fanilon’ny Kristyrakitra 201938 800  
8Ambinintsoa Fitahianarakitra 20197 000  
9Amboasarikely Fiadananarakitra 201955 000  
10Ambodimita Betela Firaisanarakitra 201945 100  
11Ambohibao Antehirokarakitra 201980 000 
12Ambohidahy Vaovaorakitra 201930 000  
13Ambohidratrimo Marovatanarakitra 201930 000  
14Ambohidroa Antehirokarakitra 201945 000  
15Ambohijafy Fanantenanarakitra 2019150 200  
16Ambohijanaka Frakitra 201948 800  
17Ambohijatovo Fitiavanarakitra 201950 000 
18Ambohimandroso Allfa sy Omegarakitra 201957 400  
19Ambohimandroso Fahazavanarakitra 201923 600  
20Ambohimarina Itaosyrakitra 201942 600  
21Ambohimena Fahasoavanarakitra 201942 500  
22Ambohimidasy Ebenezerarakitra 201925 000  
23Ambohinambo Fideranarakitra 2019293 000  
24Ambohitrandriamanitrarakitra 201913 000  
25Amboniloha Jerosalemakorakitra 2019316 500
26Ambonivohitra Olivarakitra 201911 000 
27Amborompotsy Fiorenanarakitra 201940 000
28Ampasika Martiorarakitra 20196 900 
29Ampasimbe Famonjenarakitra 201910 000
30Andavamamba Filadelfiarakitra 201940 000 
31Andavamamba Kristy Velonarakitra 201920 000 
32Andohatanjona Fihavaozanarakitra 2019142 500 
33Andohatapenaka Fifankatiavanarakitra 201940 000 
34Andramahavola Vatofehizororakitra 2019203 390 
35Andranomanjaka Fanilorakitra 20198 400 
36Andranoro Filadelfiarakitra 201930 000 
37Andriantany Famonjenarakitra 201935 500 
38Ankadindravolarakitra 2019100 000 
39Ankazomangarakitra 201999 800 
40Anosisoarakitra 201975 000
41Anosivavakarakitra 2019127 500 
42Anosizato Hebronarakitra 2019210 000 
43Antanety Fitahianarakitra 201940 000
44Babay Oliva Fihavaozanarakitra 201928 100 
45Bemasoandro Itaosyrakitra 201945 600 
46Betafo Fanavaozanarakitra 201950 000
47Betela Antanetibe Avaratrarakitra 201919 400 
48Betela Marobibyrakitra 201973 800 
49Iarinarivorakitra 20197 000 
50Imeritsiafindra Fideranarakitra 201930 000 
51Isoavimasoandro  Fihavaozanarakitra 201945 000
52Isotry Fitiavanarakitra 2019541 800 
53Itaosyrakitra 2019100 000 
54Ivato Serananarakitra 2019120 500 
55Ivoanjo Finoanarakitra 201925 000 
56Kristy F Antohomadinikarakitra 2019256 700 
57Mahajija Fandresenarakitra 201920 000
58Manarintsoa Finoanarakitra 2019262 200 
59Mandrosoa Ambohijatovorakitra 201954 500 
60Merimandroso Fihavaozanarakitra 201911 000 
61Salema Vaovao 67 harakitra 201995 400 
62Soavimalaza Fanantenanarakitra 20195 000 
63Soavinimerina Mpiandry Tsararakitra 201913 700 
64Vangaina Fitiavanarakitra 20195 600 
65Vinany Tempolimalalarakitra 2019100 000 
66Ziona Fahazavana Anosiberakitra 2019120 000 
 TOTAL 4 192 640 
 SP ANTANANARIVO ATSIMO  (11)
 SPAA 11Adidy 2019120 000 
1Ambatomitsanganarakitra 201916 120 
2Ambodiafotsy Martiorarakitra 201930 000 
3Ambodifiakarana Famonjenarakitra 201974 950
4Ambodizozoro Filadelfiarakitra 20196 000 
5Ambohijafy firaisanarakitra 201932 500 
6Ambohijanaka Gararakitra 201930 000 
7Ambohimarina Faharetanarakitra 201931 000 
8Ambohimarina Faharetanarakitra 202030 000
9Ambohimiadana Fanilorakitra 201935 500 
10Ampahibato Firaisanarakitra 201920 000 
11Ampahidraondrianarakitra 201910 000
12Ankadimbahoakarakitra 201960 000 
13Ankadinandrianarakitra 201912 000 
14Ankaraobatorakitra 201950 000 
15Antsahadinta Vaovaorakitra 201910 800 
16Fahasoavanarakitra 2018/1950 000
17Filadelfia Fandresena Iavoloharakitra 201940 800 
18Fonenana M F/na Anosizatorakitra 201975 000 
19Ifarihy Famonjenarakitra 201920 000 
20Mahalavolonarakitra 2019142 800
21Malaho Vaovaorakitra 2019121 500 
22Malaza Fahazavanarakitra 2018/1920 000 
23Malaza Gileadarakitra 2019221 150
24Miadanarivo Fahavaozanarakitra 20197 000
25Soamiavakarakitra 201954 500
26Soanieranarakitra 2019104 000
27Soavina Salema Fanantenanarakitra 201973 100 
28Tangaina Fanantenanarakitra 2019240 400 
29Tanjombato Martiorarakitra 2019100 000
30Tsarahonenana Fenoarivorakitra 201940 000 
31Tsaramanga Vaovaorakitra 201832 840 
32Tsaramanga Vaovaorakitra 201931 500
33Vontovorona Fanantenanarakitra 201981 600 
34Ziona Vaovao Imerintsiatosikarakitra 201916 000
 TOTAL 1 079 160 
 SP ANTANANARIVO ATSINANANA (12)
 SPAA 12Adidy 2019200 000 
1Ambatolampy Fiaferanarakitra 201963 400 
2Ambatomaro Fehizororakitra 2019110 000 
3Ambatoroka Finoanarakitra 201989 300 
4Ambatotokana Fitiavanarakitra 201927 000 
5Ambavahadimitaforakitra 201950 000 
6Ambohibao Zionarakitra 201961 200
7Ambohimahatsinjorakitra 201917 000 
8Ambohimanambola Fahasoavanarakitra 201951 900 
9Ambohimarina Fitiavanarakitra 201913 000 
10Ambohimiandrarakitra 2019150 000 
11Ambohipeno Faharetanarakitra 201911 500 
12Ambohipeno Famonjenarakitra 201915 000 
13Ambohitantelyrakitra 2019100 000 
14Ambohitrarahabarakitra 2019100 000 
15Ambohitrombihavanarakitra 201968 450 
16Ambohitrony Mananararakitra 201910 000 
17Ambophimalaza Kanana Vaovaorakitra 2019200 000 
18Ampomanjaka Fahasoavanarakitra 201981 100 
19Andrainarivo Fahasoavanarakitra 2019190 000 
20Andranobe Nazaretarakitra 20195 400 
21Andraisororakitra 201940 000
22Andraisoro K Frakitra 2017/18/1975 000 
23Anjeva Fanantenanarakitra 201936 000 
24Ankadindramamy Fahazavanarakitra 201980 000
25Ankadindravolarakitra 201924 000 
26Ankadivavala Fehizororakitra 201910 000 
27Anonimasina Zionarakitra 201910 600 
28Anosiarivo Betela Vaovaorakitra 20199 630 
29Anosivato Kananarakitra 201911 000 
30Antanambao Fahazavanarakitra 2019159 800 
31Betafo vavolombelonarakitra 201945 100 
32CENHOSOArakitra 2019109 000 
33Farariana Malalarakitra 201931 600 
34Fiadanana Ambohitriniberakitra 20194 000 
35Fihaonana Omegarakitra 201935 000 
36Ikianja Fideranarakitra 2018/1970 000 
37Ilafy Fahazavanarakitra 2019131 700 
38Imerikanjaka Fanantenanarakitra 20199 400 
39J V Morontsara Caryonrakitra 201927 780 
40Lohomby Fihavananarakitra 201912 300 
41Mandrosoa Ilafyraitra 2019100 000 
42Manohisoa Fitiavanarakitra 201920 000 
43Ranovao Martiorarakitra 201935 000 
44Vilihazo Fanantenanarakitra 201944 000 
45Ziona Manjakandrianarakitra 201987 880 
46Zoara Fanantenana Ambohiporakitra 2019230 000 
 TOTAL 2 681 840 
 SP ARIVONIMAMO VAOVAO ( 13)
 SP13Adidy 2019 
1Ambohidehibe Famonjenarakitra 20195 900 
2Ambohidrahangy Finoanarakitra 20197 500 
3Ambohinierana Frakitra 201966 300 
4Ambohitraivo Fitiavanarakitra 201913 600
5Ampahimanga Fanantenanarakitra 201958 400 
6Manalalondorakitra 20199 500 
7Manankasina Fihavaozanarakitra 201920 000 
8Mangatany Fahazavanarakitra 201920 200 
9Miantsoarivo Fanantenanarakitra 201912 000 
10Morarano Fahazavanarakitra 201910 970 
11Santatrin’ny Lanitra Antenimberakitra 201910 000 
12Ziona Famonjena Imerinitsiatosikarakitra 2019124 800 
13Ziona Fiovana Amboananarakitra 201914 100 
 TOTAL 359 670 
 SP ATSIMO ATSINANANA  (14)
 SP14Adidy 2019 
1Manakara Fideranarakitra 201976 000 
2Farafangana Alfa sy Omegarakitra 201954 000
 TOTAL 76000
 SP ATSIMON’IARIVO MIRAY  (15)
 SP15Adidy 2019 
1Adingadinganaraitra 201910 000
2Ambalavao Fiorenanarakitra 20196 000 
3Ambatofahavalo Filadelfiarakitra 20195 000 
4Ambatolampy Fitiavanarakitra 201921 500 
5Ambatomanankasinarakitra 2018/1910 000
6Amberoberakitra 201951 000 
7Ambohimahsitsy Jerosalemaraitra 201910 000 
8Ambohitsoa Betela Vaovaorakitra 201910 200
9Amboniriana Betele Fanantenanarakitra 201923 400 
10Ampangabe Famonjenarakitra 201935 500 
11Andramasina Fihavaozanarakitra 201912 000 
12Andranomainty Salemarakitra 20193 500 
13Andranomiditra Filadelfiarakitra 201918 100 
14Andranovelona Fitiavanarakitra 20193 300 
15Ankerana Filadelfiarakitra 20192500
16Ankorona Fanantenanarakitra 20197 000
17Anosibe Fihavaozanarakitra 201911 100 
18Antanetibe Marombyrakitra 20193 100 
19Antovontany K Frakitra 20197 700 
20Betela Fahazavana Amboatavorakitra 201930 000 
21Moratsiazo Fideranarakitra 201911 850 
22Soamananety Fitiavanarakitra 20199 100 
23Soamonina Fanavaozanarakitra 20195 300 
24Soavinandriana Alarobiarakitra 201912 000 
25Soavinandriana Zionarakitra 201911 000 
26Tsarazaza Finoanarakitra 20198 000 
27Tsiafahy Fihavaozanarakitra 201972 100 
28Ziona Vaovao Alatsinainy Bakarorakitra 201952 000 
 TOTAL 425 050 
 SP KRIFAA  (16)
 SP KRIFAAAdidy 201990 000 
1Ampanefenarakitra 201910 000 
2Andapa Fanasinarakitra 201980 000 
3Andranomadiorakitra 201917 000 
4Andranomenarakitra 201910 000 
5Filadelfia Sambavarakitra 201940 000 
6Fit Bealamponarakitra 201940 000
7Karmela Antanifotsyrakitra 201980 000 
8Pev Darainarakitra 201930 000 
9Belle Rose Antalaharakitra 20195 000 
10Ambarimiambanarakitra 202020 000 
11Andapa Fanasinarakitra 202080 000 
 TOTAL 372 000 
 SP BOINA VAOVAO  (17)
 SP 17Adidy 2019 
1Ambatoboenyrakitra 201971 300 
2Ambondromamyrakitra 201920 000 
3Ambondrona Fitiavanarakitra 201917 500 
4Amborovy Mahajangarakitra 201926 000 
6Amparamahitsy Galiliarakitra 201916 100 
7Amparihingidro Kristy Fanatenanarakitra 201919 600 
8Andranomamyrakitra 20198 400 
9Androva Vaovaorakitra 2019270 100 
10Ankazomboronarakitra 201917 000 
11Ankijahabe Fitiavanarakitra 201916 200
12Antanambao SOTEMArakitra 201911 500 
13Antanimasajarakitra 201975 000 
14Antanimasajarakitra 201975 000 
15Antanimora Faritra Marovoayrakitra 201913 400 
16Betela Andranolavarakitra 20197 400 
17Marovoay Atsimorakitra 201943 500 
18Marovoay Avaratrarakitra 201940 500 
19Omega F Antanimalandyrakitra 201962 200 
20Rive droite (Namakia)rakitra 201911 000 
21Tsaramandroso RN 4rakitra 201920 900 
22Tsararano Marovoayrakitra 20193 400 
 TOTAL 829 800 
 SP ANTSERANANA FAHAZAVANA (18)
 SP 18Adidy 2019150 000 
1Antseranana Fahazavanarakitra 2019713 400
2Kristy Fahazavana Ambanjarakitra 201980 000 
3Mahavavy – Estrakitra 201910 000 
4Mizpa Siramarakitra 201920 000
5Rafaralahy Andriamazotorakitra 2019100 000 
6Ziona Famonjena Nosy Berakitra 201950 000 
 TOTAL 240 000 
    
 SP IARIVO AVARADRANO (19)
 SP 19Adidy 2019200 000 
1Ambatonakangarakitra 2018/19200 000 
2Amboanembarakitra 201915 500 
3Amboara Ambohimangarakitra 201935 000 
4Ambodiala Penielarakitra 201928 000 
5Ambodifasina Peniela Frakitra 201960 000 
6Ambohidrabibyrakitra 201929 500 
7Ambohipanja Fitiavanarakitra 201930 000
8Ambolo  Vavolombelonarakitra 201920 000 
9Ambondrona Firaisanarakitra 201950 000
10Ampahidralamborakitra 20196 000 
11Ampahitrizinarakitra 20196 500 
12Andakana Ambohimanga Rovarakitra 201952 550
14Andranomalaza Ivatorakitra 201939 000 
15Ankadiberakitra 201915 000 
16Ankadifotsyrakitra 2019200 000 
17Ankadivoribe Avaratrarakitra 201930 540 
18Ankona Filadelfiarakitra 201915 340 
19Anosiarivo Famonjenarakitra 201933 600 
20Antanandrano Fitahianarakitra 201945 000 
21Antanimena Andrefanarakitra 2019282 200 
22Antsampandrano Fideranarakitra 201940 000
23Avaratsena Fanantenanarakitra 201964 100 
24Faravohitra Avaratrarakitra 201971 500 
25Fonohasina Firaisanarakitra 201925 000
27Katedraly Analakelyrakitra 2019100 000 
28Kristy Fehizororakitra 201931 000 
29Manandriana Lovasoarakitra 201950 000 
30Manarintsoa Namehanarakitra 201940 000
31Mangaranorakitra 20198 500 
32Rasalama Manjakarayrakitra 201930 000 
33Tsarafararakitra 201950 850 
 TOTAL 1 467 130 
 SP MAEVATSARA (20)
 SP 20Adidy 2019 
1Tsaratananarakitra 201950 000 
2Kamolandyrakitra 201918 000 
3P.E Kandrehorakitra 20198 000 
4Peniela Maevatananarakitra 2019102 600
 TOTAL 76 000 
 SP BEMARAHA (21)
 SP 21ADIDY 201560 000 
1Akondromena Fanasinarakitra 20195 000 
2Ankavandra Fahazavanarakitra 20198 700 
3Fahazavana Beravinarakitra 201922 400 
4Kristy Fahazavana Sarodranorakitra 20195 400 
5Maintiranorakitra 201955 000 
6Ziona F Morafenoberakitra 201922 500 
 TOTAL 119 000 
 SP MANANARA FIRAISANA ( 22 )
 SP 22ADIDY 2019 
1Ambatomanohina Filadelfiarakitra 201935 000 
2Amboasary Avaratrarakitra 201910 000 
3Amboaroihazo Fanazavanarakitra 201920 000 
4Ambohibary Fivavahanarakitra 201920 000
5Ambohitsamborakitra 2018/1915 000 
6Andranomisa Fivoaranarakitra 201910 000 
7Antanetibe Finoanarakitra 201940 000 
8Antoby Fitahianarakitra 201922 000 
9Antokonana Fifankatiavanarakitra 20196 300 
10Belanitrarakitra 201910 000 
11Mampiteny Fivoaranaraitra 201913 100 
12Mangamilarakitra 201930 000 
 TOTAL 211 400 
 SP MANANJARY PANGALANA (23)
 SP 23ADIDY 2019 
1Mananjary Pangalanarakitra 201954 000 
2Ifadiana Filadelfiarakitra 20195 000 
 TOTAL 59 000 
 SP MANGORO MORAMANGA (24)
 SP 24ADIDY 2019 
1 Antanamandroso Karmelarakitra 201979 000 
2Ambodinifodyrakitra 2018/19104 800 
3Ambohimanatrikarakitra 201911 100 
4Ambohitranjavidy Famonjenarakitra 2019126 000 
5Analatsara Betelarakitra 201912 600 
6Antanimarinarakitra 20195 000 
7Antsirinala Fanantenanarakitra 201945 000
8Belavabary Faharetanarakitra 201910 400
9Fierenana Fitiavanarakitra 20194 400
10Vodirianarakitra 20197 000 
 TOTAL 345 500 
 SP MATSIATRASOA (25)
 SP 25Adidy 2018/19140 000 
1Ambatotsidikainarakitra 201930 800 
2Ankofafarakitra 201947 400 
3Antarandolo Fitiavanarakitra 20195 000
4Betela Fanantenanarakitra 201980 000 
5Fehizoro Mampirayrakitra 201815 000 
6Fit. Beravina Fahasoavanarakitra 201923 800 
7Ikianjasoa Rasalamarakitra 201940 000 
8Tsaramandroso Zionarakitra 201912 000 
 TOTAL 249 000 
 SP MEVARANO MIRAY (26)
 SP 26Adidy 2019 
1Maromandiarakitra 20195 000 
2Fit Atsimondranorakitra 20197 600 
3Filadelfia  Vavolombelonarakitra 20195 800
 TOTAL 12 600 
 SP MIARINARIVO FAHAZAVANA (27)
 SP 27ADIDY 2017/18160 000 
1Ambalavato Vaovaorakitra 20199100
2Ambatolampy Faharetanarakitra 20192 700
3Ambohimiraryrakitra 20196 000
4Ampefy Ifanjarakitra 201913 500 
5Analavory Fitiavanarakitra 201995 200 
6Andolofotsy Fitrakitra 20195 000 
7Anjahanarakitra 20195 000 
8Ankotraberakitra 20195 200 
9Beapombo Fanantenanarakitra 20194 200 
10Manazary Fiakarantsoarakitra 201910 000 
11Sanganoro Fahazavanarakitra 201915 800 
12Tafaina Fihavaozanarakitra 20195 000 
 SP MIRAY FARITRA ANTONGIL ( 28 )
 SP 28ADIDY 2019 
1Ambalanaombyrakitra 20192 000
2Ambatokintanarakitra 20192 700
3Ambinanitelorakitra 20185 000 
4Ambodiampanarakitra 20193 000
5Ambodivoaniorakitra 201921 200
6Ambohimarinarakitra 20192 000
7Ampanaovamarinarakitra 201960 000 
8Zoara Famonjena Maroantsetrarakitra 2019100 000 
 TOTAL 165 000 
 SP MANDRIDRANO MPIAMBINA (29)
 SP 29ADIDY 2019 
1Ambalavao Mananasyrakitra 201913 200 
2Ampary Famonjenarakitra 201935 000 
3Mahavelona Finoanarakitra 201910 700 
4Ambatoasana Penielarakitra 201910 000 
 TOTAL 68 900 
 SP SOFIA ANDREFANA (30)
 SP 30Adidy 201950 000 
1Port Bergerrakitra 201950 000 
2Ambalabe Antsohihyrakitra 201935 900 
3Faravohitra Antsohihyrakitra 2019130 500 
4Fit. Antananamborakitra 20195 000 
 TOTAL 221 400 
 SP TOAMASINA VAVAHADIN’NY FILAZANTSARA (31) 
 SP 31Adidy 2019150 000
1Betela Tanambao Vrakitra 2019459 900 
2Betlehema Analakinininarakitra 201950 000 
3Chapelle Militaire RM3 Toamasinarakitra 201950 000 
4Fahazavana Foulpointerakitra 2018/19120 000 
5Filadelfia Ambalmanasyrakitra 201950 000 
6Filadelfia Saint Pierrerakitra 2019152 000
7Kristy Fehizororakitra 201994 400 
8Manareza Vavahadyrakitra 2019140 000 
9Maromamy Brickavillerakitra 201922 500 
10Peniela Brickavillerakitra 201915 000 
11Tanambao II Fahasoavanarakitra 201970 000 
12Tranovato Fitiavanarakitra 2019230 000
13Zoara F/na Ankirihiryrakitra 201950 300 
 TOTAL 1 122 100 
 SP KRISTY FIHAVANANTSIKA TOAMASINA ATSIMO (32)
 SP 32ADIDY 201970 000 
1Ampasimazavarakitra 20192 500 
2Ampasimberakitra 201910 000 
3Antanambao Manampotsyrakitra 201910 000 
4Antanandehiberakitra 20195 000 
5Ilaka Estrakitra 201918 000 
6Mahanoro Fahazavanarakitra 201941 000 
7Marolamborakitra 201910 000 
8Marovintsyrakitra 20195 000 
9Vatomandryrakitra 201940 000 
 TOTAL 141 500 
 SP TOLIARA FIHAVAOZANA (33)
 SP TOLIARAADIDY 201980 000 
1Ilakakarakitra 201920 000
2Ivohiberakitra 201918 700 
3Jerosalema V Ranohirarakitra 202015 500 
4Jerosalema Vaovao Ranohirarakitra 201919 200 
5PE Moromberakitra 20194 300 
6Rasalama Maritiora Toliararakitra 2018/19120 000 
7Sakaraha Mahatokyraitra 201920 000 
8Sakaraha Manodidinarakitra 201910 000 
9Tsarazara Ankazoaborakitra 201910 200 
 TOTAL 217 900 
 SP TSIROANOMANDIDY (34)
 SP 34Adidy 2019/20120 000
1Ambatomainty Avaratrarakitra 20195 200 
2Ambavahady Betelarakitra 201911700
3Ambohimarina Fiombonanarakitra 201928 200 
4Andohafarihy Vato Fehizororakitra 201920 000 
5Androtra KRrakitra 201915 000 
6Fit.Andranomadio Fig Antanambaorakitra 20194 800 
7Kiranomenarakitra 201912 000 
8Ziona Tsiroanomandidyrakitra 2018/19308 000 
 TOTAL 404 900 
 SP VONIZONGO VAVOLOMBELONA (35)
 SP 35ADIDY 2017-2018140 000 
1Ankazobe Fandresenarakitra 201982 000 
2Betela Martiora Fihaonanarakitra 201910 820 
3Irindravatorakitra 20198 000
4Manankasina Fideranarakitra 20197 000 
5Mandrosoa Fihavaozanarakitra 201912 000
6Mangasoavinarakitra 20196 000
7Soavina Alfa sy Omegarakitra 201932 000 
 TOTAL 131 820 
 SP FAHAZAVANA ATSIMO ANDREFANA (36)
 SP 36Adidy 201980 000
1Ambatomena Fit Miandrivazoraitra 20191 100 
2Analaiva Faharetanarakitra 20194 500 
3Antsirarakarakitra 20195 600 
4Begidro Fit. Antsikidarakitra 20192 000 
5Belo Tsiribihinarakitra 201933 000 
6Malaimbandyrakitra 20198 100 
 TOTAL 54 300 
 SP VATOFEHIZORO AMPITANDRANOMASINA (37)
 SP 37Adidy 2019100 Euros
1Gland Suisserakitra 2019556 000 
2Filadelfia Meauxrakitra 2019300 000 
3Mont Rouge Parisrakitra 201980 Euros
4Reines Lavalrakitra 201980 Euros
5Ziona Vaovao Parisrakitra 20191 170 000
 SP ATSINANANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA (38)
 SP 38Adidy 2019 
1Ambatolampy Antampontananarakitra 2019207 100 
2Ambohimandroso Betela  Frakitra 201953 000 
3Ambohipieno Fanantenanarakitra 201912 700 
4Ambolokotonarakitra 20195 000 
5Ankidondona Filadelfiarakitra 2019/2080 000
6Betela Ambatondrakalavaorakitra 201911 000
7Bezezika Finoanarakitra 201910 500 
8Fihavaozana Behenjy Gararakitra 201962 500
9Karmela Ambatolampyrakitra 201914 300 
10Mamory Fitiavanarakitra 201910 090  
11Manarintsoakelyrakitra 20198 000  
12Morarano Zoararaitra 20195 000 
13Tranovato Ambohitsambainarakitra 201913 500  
 TOTAL 334 190  
 Ireo nandrotsaka mivantana tany amin’ny Banky 
1Mahafaly Jean Pierrerakitra 2019276900 
2Marsonrakitra 2019200000 
3Mampianinarakitra 2019200000 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV