FJKM/ Fanambarana
AVY AMIN’NY BIRAON’NY MPIANDRAIKITRA FOIBE FJKM
Ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory androany Alarobia 22 Aprily 2020, teto Ampandrana Antananarivo, dia mano izao fanambarana izao.
1- Omena lalana ny Mpitandrina sy ny Fiangonana rehetra hanokatra ny trano Fiangonana ka hanao Fanompoam-pivavahana ao, na Alahady na Andavanandro ; saingy ao anatin’ny fanajana ireo Fepetra napetraky ny fitondram-panjakana.
2- Hamafisina ny antso mba hanaovan’ny fiangonana asa sosialy hatrany, araka izay azony atao hoan’ireo Mila vonjy na ao anatin’ny fianginana na eo amin’ny fiarahamonina ; ary mba ho tsinjovina ihany koa ny Mpiasam-piangonana .
3- Ny Fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM izay tokony ho natao tamin’ity volana Aprily ity dia, dia ahemotra amin’ny fotoana mahamety arakaraka ny fivoaran’ny toe-draharaha. …