CWM / Tany Gaborone

Council for World Mission

Manaitra ny Fiangonana hihoby fandresena

noho ny amin’i Jesoa Kristy ny CWM

Tontosa tany Gaborone (renivohitr’i Botswana) ny 17 -21 Febroary lasa teo ny fivoriana fanomanana ny Fihaonamben’ny CWM ho an’ny faritra Afrika ka nibanjinana ny lohahevitra manao hoe : « Mitsangan-ko velona miaraka amin’i Jesoa  « 

Miverina amin’ny Soratra Masina

Teny faneva hiompanan’ny Fivoriamben’ny CWM (Council for World Mission) izay hotanterahina ny volana Jona 2020 rahateo ny hoe « Mitsangan-ko velona miaraka amin’i Jesoa ». Io teny faneva io no nofakafakaina sahady nandritra ny fanomanana ny Fivoriambe tany Gaborone ka nibanjinana lohahevitra samihafa mifandraika amin’ny zavamisy sy olana atrehin’ny Fiangonana sy ny fiaraha-monina mandraka ankehitriny, dia ny fanavakavaham-bolon-koditra (racisme) ; ny anjara toeran’ny lehilahy izay mifehy ny fiaraha-monina, eny hatrany anatin’ny Fiangonana aza (patriarcat) ; ary ny fiheveran-tenan’ny olona ao anatin’ny firenena iray ho ambony noho ny firenen-kafa (chauvinisme). Niara-nieritreritra mialoha ny amin’ireo foto-javatra ireo ny solontenan’ny Fiangonana mpikambana nanatrika ny fivoriana mba hamantarana izay sitrapon’Andriamanitra ny amin’izany ka hahazoana miara-mijoro ho vavolombelona.

Nohamafisina ary mbola hohamafisina mandritra ny Fivoriambe fa efa lavo i Babylona ary efa niara-natsangana tamin’i Kristy isika mba handova fiainana. Ny fahafatesana sy ny faharavana amin’ny endriny rehetra dia efa resin’ny Tompo ka fiainana vaovao no omen’Andriamanitra ny vahoakany. Antsoina handinika ny atao hoe « fiainana vaovao ho an’ny mpanaraka an’i Jesoa » ny Kristiana.

Manavao ny tompon’andraikitra

Nampahafantarina tany amin’io fivoriana fanomanana ny Fivoriamben’ny CWM io ihany koa ny fifidianana izay hatrehin’ny solontenan’ny Fiangonana mpikambana rehetra. Solontena efatra isaky ny Fiangonana no hifidy izay ho tompon’andraikitra vaovao rehetra eo anivon’ny CWM amin’ny Fivoriambe ho avy io. Izay ho mpikambana ao anatin’ny Filankevi-pitantanana no hofidiana voalohany amin’izany, ka hisy mpikambana 12 izany, izay ahitana ny Filoha sy ny Mpitahiry vola. Nahatapitra ny fe-potoana niasany ihany koa ny Sekretera Jeneraly teo aloha – Rev Dr. Colin Cowan – ka ny solontenan’ny Fiangonana mpikambana no hifidy izay hisolo azy.

Iraka sy antom-pisian’ny CWM

Ny CWM dia Filankevitry ny Fiangonana miara-mitory ny Filazantsara eran-tany. Mpiray lova tamin’ny misionera Anglisy teo aloha avokoa ny Fiangonana mpikambana ao satria mivondrona ao anatiny ny Misiona LMS teo aloha (London Missionary Society), ny Commonwealth Missionary Society ary ny Presbyterian Board of Missions.

Misy Fiangonana 32 avy amin’ny Faritra Afrika, Azia Atsimo sy Atsinanana, Eorôpa, Caraïbes ary Pasifika no mikambana ao amin’ny CWM. Miparitaka any amin’ny firenena 40 izy ireo ka mahatratra 22 tapitrisa mahery ny totalin’ny Kristiana ao anatiny. Noho Andriamanitra fiandohan’ny asa fitoriana dia ireo Fiangonana mpikambana no mpiara-miasa amin’Andriamanitra eo amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara maneran-tany. Mifanampy ireo mpikambana ireo, mifampizara ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ka samy mandray no sady manome ho an’ny hafa, ary mijoro vavolombelon’i Jesoa Kristy ny amin’izany.

Vololoniaina RASOAVELONIRINA

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV