Alahadin’ny SAF FJKM/ 2020.

FANDAHARANA IOMBONANA

Feon-javamaneno fanombohana

Fiarahabana apostolika

FANATREHANA AN’ANDRIAMANITRA

  • Apokalipsy 15 :3b-4

Hira  FFPM 14

vavaka fiderana sy fisaorana

TENIN’ANDRIAMANITRA

Hira 209: 1,3,4

Fotoana ho an’ny tanora sy ny ankizy

Vavaka fangatahana ny fanazavan’ny Fanahy Masina

Soratra  Masina

  • Joela 2 :12 – 17
  • Matio 12: 38 – 42
  • Asa 11: 19 – 21

Hira FF 6

TORITENY

Vavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra sy  fifonana 

Hira  417: 1,3,4 

Famelan-keloka :

  • Hosea 14 :5 ; Romana 8 :33-34
  • Salamo 32 :1-2

Hira 171:3

Fanekem-pinoana

Asa vavolombelona

Raharaham-piangonana

Rakitra

Fanolorana ny rakitra : Hira 446 : 2,3.

Hira Fanampiny  17

Vavaka fangatahana

Tsodrano

……………………………………………………………………………………………………………………………….

HAFATRA

Misaotra an’Andriamanitra isika noho ny fijoroan’ny Fiangonana FJKM eo amin’ny asa fampandrosoana ataony.

Miatrika ny vanim-potoanany sy ny toetrandro iainany hatrany hatrany  ny Fiangonana manoloana ny asa fampandrosoana. Tsiahivina fa miorina eo amin’ny maha olombelona araka ny endrik’Andriamanitra sy ny zo fototra aterak’izany ny vinan’ny fampandrosoana voizina eto amin’ny FJKM.

Amin’izao vanim-potoana iainantsika izao dia lafin-javatra 3 lehibe no itondrana hafatra ho an’ny Fiangonana amin’izao Alahadin’ny SAF/FJKM izao:

  • tokony hiray fo amin’ny firenena manontolo isika Fiangonana eo amin’ny ezaka atao hanarenana ny fahasimban’ny tontolo iainana vokatry ny fandripahana ala, ny fitrandrahana ireo harena an-kibon’ny tany ; sy ny maro hafa, ka hanao ezaka araka izay tratra amin’ny fambolena hazo.
  • Entanina ihany koa isika mba ho fitaratra eo amin’ny tontolo misy antsika  amin’ny fitandrovana ny fahadiovana amin’ny lafiny rehetra.
  • Manao ezaka lehibe isika FJKM amin’ny lafiny fananan-tany. Maro ireo Synodamparitany nofanina momba ny lalànan’ny fananantany. Etoana kosa dia manao antso ho an’ireo Synodamparitany sy Fitandremana tsy mbola nahazo izany na koa ireo izay liana mba hifanatona ahafahana manomana fiofanana satria ny fahalalana ny zo sy ny lalàna momba izany ihany no ahafahana miatrika am-pahamendrehana ny fiarovana ny tany ho an’ny tsirairay
  • Averina ombieny ombieny fa noho ny fiovaovan’ny toetrandro dia firenena miloloha loza voajanahary isika eto Madagasikara eo ny  rivodoza sy ny ranobe. Koa miantso ny rafitry ny Fiangonana hanohana ny fandaharanasa Volontera FJKM hahitana fahombiazana amin’ny fiarovana ny mpiara-belona sy ny fananany.

Farany, dia manolotra fisaorana ho antsika Fiangonana amin’ny fanohanana ny asa Fampandrosoana tanterahina amin’ireo sehatra samihafa.

Dia manonona ny Fiadanan’ny Jesoa Kristy Tompo ho amintsika tsirairay avy.

Ny Filankevipitondrana SAF/FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV