SFL / Hafatry ny KF
Hafatry ny Komity Foibe nivory teto Mahajanga
11-12-13 /02/2020
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo.
Manatitra ny fiarahabana ho antsika Kristianina rehetra nahavita soa ny Noely 2019 ary nahatratra ny taona vaovao 2020, koa dia mirary soa sy fahombiazana eo ambany fahasoavan’ny Tompo.
Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika fa tanteraka sy tontosa araka izay noeritreretina ny Komity Foibe voalohany tamin’izao taom-piasana vaovao izao, izay notarihin’ny Tonian’ny Departemanta ny Fiangonana ny Mpitandrina RAKOTONINDRAINY Jaona, izay nisolotena ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, isaorana ihany koa ny Prezidà Synodaly, ny Mpitandrina. RAKOTOMALALA Jean Olivier. Naneho fialantsiny kosa ny Mpiandraikitra Foibe Mpiahy ny SFL Rtoa RAMAROKOTO Haingotiana Mireille, Mpitandrina .
Saika tonga avokoa ireo Komity Foibe rehetra, koa dia nivoitra tamin’izao ny fandrafetana ireo lafy efatra. Izay notinapakin’ny Zaikabe tany Manakara ny Oktobra 2019.
- FIDE : izay mametraka ho vaindohan-draharaha ny fitoriana ny filazantsara ao amin’ny Laika rehetra tsirairay , ka sady hahasahana ny anatiny izany no hivoaka any ivelany.
- EDIFICATIO : izay nametraka ho zava-dehibe fampiorenana ny finoana ka hanamafisana ny fampianarana sy fanofanana hahatonga ny laika hahajoro manoloana ny fitsapana samihafa.
- REFORMATA : izay mampivoatra sy manatsara hatrany ny fitantanana , ny etika ary ny fitaovana enti-miasa.
- ACTIO : dia mampisongadina ny fananganana ivontoerana lehibe iray (Centre d’accueil) ho an’ny SFL.
- Ary koa ny tetibola ho enti-miasa.
Maneho fisaorana hatrany tamin’ny fiaraha-mientana izay nasehontsika nandritra ny Taom-pakalazana an’Andriamanitra noho ny faha 40 taonan’ny SFL. Ento am-bavaka fa efa madiva ho vita ny fananganana ny FJKM Befasy izay tsangambaton’ny finoana. Koa araka ny fandaminana eto amin’ny sahan’ny FJKM, dia ny alarobia 27 May 2020 ny fitokanana izany. Ary dia manasa sy manentana antsika fianakaviamben’ny Laika rehetra ho tonga maro hifanotrona amin’izany.
Manomboka amin’ity taona 2020 dia hisy ny “ Herinandro mihoatra noho ny sasany”. Herinandro izay tanterahina mialoha ny Alahadin’ny SFL, hisy fandaharana iombonana amin’izany .
Mampahtsiaro antsika ihany koa tsy hanadino ny asa iombonana, indrindra ny Adidy sy Rakitra Foibe, toy izany koa ny Boky “Alim-piambenana”.
Aoka hiomana ny Laika rehetra fa any Fenerive-Est no ho tanterahana ny Fihaonambe 2021.
Koa dia manao veloma anareo amin’ny anaran’ny Tompo.
Anaran’ny Biraon’ny Sampana Fivondronana Laika
Ny Filoha
RADAVIDSON Andriamparany Benjamin