Zoma 24 Janoary 2020.

JOSOA 4.20-24

Niampita an’i Jordana ny zanak’Israely ary nanehoan’ Andriamanitra ny heriny indray ka afaka nandia tany maina, ary nasain’Andriamanitra nanao tsangambato i Josoa ho fahatsiarovana izany :

1-Mampahatsiaro ny herin’ Andriamanitra (and21)

Rehefa nahita ireo vato roa ambinn’y folo ireo ny zanak’ Israely dia hahatsiaro izy fa tsy noho ny herin’ny tenany akory na ny tanjany no nahafahany nita an’i Jordana ka nandia tany maina , fa noho ny tàna-maherin’ Andriamanitra niasa. Ka tokony hisaorana Azy mandrakariva (Sal 127.1). Tsy mahefa na inona na inina amin’ny herin’ny tenantsika isika , fa raha misy fahombiazana eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra no nanao izany .Aoka tsy hirehareha ho mahery , na manahy na mahavita .Tsarovy mandrakariva fa tsinotsinona isika raha tsy ny Tompo no miasa.

2-Mahatonga hitory ny herin’ Andriamanitra (and24)

Ireo vato voalaza teo dia mampahatsiaro ny herin’ Andriamanitra ,kanefa tsy mijanona hatreo fa ampianarin’i Josoa ny olona mba hilaza sy hampita ny herin’ Andriamanitra amin’ny taranany avy aloha .Fa tsy mijanona amin’izany fa miitatra hatrany amin’ny firenena rehetra mba hahatonga ireny hatahotra an’ Andriamanitra ihany ko.Izany no maha- misionera ny zanak’Israely hitory ny herin’Andriamanitra sy ny famonjena mahagaga nataony .Iraka nampanaovin’i Jesoa ny mino koa ny hitory ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra .Koa tena adidintsika izany.

Fanontaniana:

Tanisao :inona avy teo amin’ny fiainanao no nahatsapana ny herin’ny tànan’Andriamanitra miasa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV