Talata 21 Janoary 2020.
MARKA 8.22-26
Ny herin’i Jesoa
1-Hitan’izay manam-pinoana
Nentin’ny olona ity lehilahy jamba ity hanatona an’i Jesoa , ary ireto nitondra azy ireto dia nino tokoa fa raha kasihin’i Jesoa fotsiny ilay jamba dia hahiratra . Io finoana nananan’ireo nitondra azy dia ampy nahatonga an’i Jesoa handray ilay lehilahy sy hitantana azy ho any amin’ny fahiratana . Manàna finoana fa hitan’i Jesoa izany .
2-Hikarakarany izay tonga eo Aminy (and23)
« Ary nitantana ilay jamba » i Jesoa , izany hoe: noraisiny an-tànana ity lehilahy tonga eo aminy ity , tsy nailiny , fa nanehoan’i Jesoa ny heriny na dia tany ivelan’ny tanàna kosa aza no nanasitranany azy . Ny hevitry ny teny hoe : tànana mantsy , ankoatry ny hoe : fanampiana dia teny fampiasa ilazana ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra ary ny asa ataony koa. Eto izany dia mahatsapa tanteraka ny herin’i Jesoa mandray an-tànana azy ity lehilahy jamba ity , na dia fanasitranana miandalana aza no hita eto . Io fanasitranana miandalana io koa anefa dia nentin’i Jesao hisarika ny sain’ny mpianany hahalala fa Izy no Mesia .
2-Tsy entiny mizahozaho (and26)
Marina fa misy ny antsoina hoe: tsiambaratelo mesianika ao amin’i Marka , izany hoe: finiavan’i Jesoa tsy mbola te-hiseho , fa etsy ankilany dia tsapa eto ny fanetretenan’i Jesoa , izay na dia manana ny herin’ Andriamanitra aza, nampahiratra ny jamba , dia tsy nampiasa izany hilam-boninahitra na deradera . Porofon’izany no nilazany mba tsy hiditra ao an-tanàna akory ity vao nositraniny ity . Mianara amin’i Jesoa , aza tia sehoseho na mila voninahitra amin’ny asa soa atao.
Fanontaniana:
Maninona ny olona no mbola mila deradera rehefa mba manao soa ny hafa?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM