Alahady 19 Janoary 2020.
ASAN’NY APOSTOLY 5.29-32
Avy nosamborina sy natao an-tranomaizina ny apostoly eto nefa nafahan’ Andriamanitra taminn’y fomba mahagaga, ary indreo mitoriteny eny an-kianjan’ny tempoly .Manao ny iraka nampanaovina azy ireo .Hitantsika eto fa :
Ny tena irak’i Kristy dia:
1-Matotra amin’ny fijoroana ho vavolombelona (and29)
Ny matoanteny hoe: « namaly » eto dia teny feno fianteherana sy fahasahiana . Izany no namalian’i Petera ny fandrarana nataon’ny mpisoronabe . Sahy i Petera miteny fa Andriamanitra no tokony ekena mihoatra noho ny olona .Porofon’ny fankatoavan’ny Apostoly raha fandrarana no natao’ny mpisoronabe tsy hanononana ny Anaran’i Jesoa intsony , dia vao mainka feno ny fampianarany i Jerosalema manontolo .Ry havana , Andriamanitra ihany ankatoavina na iza na iza manery anao hanao zavatra mifanohitra aminn’y sitapony .
2-Mahitsy amin’ny filazana ny marina (and10)
Tsy niolaka iPetera raha nilaza eo anatrehan’ny Synedriona , hoe: »novonoinareo » i Jesoa.Tsy izany ihany fa ataon’i Petera mihasikasina eto ihany koa fa na dia namono an’i Jesoa aza ny Jiosy , dia ny tàna-maherin’ Andriamanitra kosa no nampandresy an’i Jesoa , nandreseny ny fahafatesana .
3-Manoro ny làlam-pamonjena (and31-32)
Petera eto dia tonga amin’ny fanoroana ny Synedriona fa mbola afaka mahazo famelankeloka sy mibebaka izy ireo , satria izany indrindra no antony nahatongavan’i Jesoa . Isika koa dia dia tokony hitaona ny olona izay hitsiantsika amin’ny fomba rehetra hahalala fa mandray ny mpanota mibebaka ny Tompo .
Fanontaniana:
Hatraiza ny fahasahiana mijoro ho vavolombelon’i Kristy?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM