Alakamisy 16 Janoary 2020.
EKSODOSY 6.2-8
Manafaka ny olony Andriamanitra
1-Reny ny fitarainan’ny olony (and 5)
Andevo tany Egypta ny Zanak’Israely , mahatsiaro ho tena fadiranovana ka mitaraina mitady famonjen’ amin’ Andriamanitra . Ary ren’ Andriamanitra tokoa izany , ka maniraka olona hamonjy sy hanafaka Izy . Nirahina i Mosesy . Aoka tsy ho kivy na ketraka isika ao anatin’ny mafy lalovantsika .Mivavaha fa mandre antsika ny Tompo « tsy lalodalovana ny sofiny fa mahare » (Isa 59.1b)
2-Zon’Izy Andriamanitra izany (and6)
Ny matoateny hoe: « hanavotako »; dia azo adika hoe: »hitokiako » , na « hamaliako rà« . Maneho izany fa zon’ Andriamanitra ny Zanak’Israely , zon’ Andriamanitra ny mitaky azy ireo tsy eo ambany fanandevozan’ny Egyptiana ,ary an’i Abrahama no hananan’ny Tompo zo hanafaka ny vahoakany eo ambany fanompoana . Amin’ny herin’ny tànany sy ny fahefany no hanafahan’ Andriamanitra ny olony .Matokia fa isika olony dia tsy mba avelan’ny Tompo ho andevo , ary ny tàna-maheriny no entiny manafaka antsika .
3-Andriamanitra tsy mivadika Izy (and8)
« Omeko ho fanananareo izany », hoy ny Tompo eto raha mampanantena ny vahoakany ny tany tondra-dronono sy tantely . Faneken’ Andriamanitra io tamin’ny Patriarka , ary tsy mivadika amin’izany ny Tompo, tsy miova amin’izay efa nekeny Izy .Andriamanitra azo antoka ny Andriamanitra ivavahantsika . Koa isika mino dia mahazo miantehitra aminy , azo antoka tsy handiso fanantenana Izy, izay lazainy dia tanterahiny .Izy no tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay .
Fanontaniana:
Inona teo amin’ny fiainanao no hahatsapanao fa tsy mivadika tokoa Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM