Alarobia 15 Janoary 2020.

ROMANA 1.18-23

Inona no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra ?

Vokatry ny ataon’ny olona ihany no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra hihatra aminy . Anisan’izany ireto:

1-Ny fanompoan-tsampy (and23)

nisan’izay endriky ny tsy fanajana Azy ny fanompoantsampy . »...ny voninahitr’ Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lo sy ny vorona sy ny biby mana-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka «  (and23). Masina Andriamanitra ka tsy hanaiky hohitsakitsahin’ny ratsy , ary ny tena zava-doza amin’izany dia ny fisian’ny olona efa mahalala an’ Andriamanitra , kanefa mbola minia manompo sampy. « Fa na dia nahalala an’ Andriamanitra aza izy , dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an’ Andriamanitra na nisaotra Azy… » (and21);

2-Ny fiheverantena ho hendry (and22)

Ny mpanompo sampy Grika sy Romana dia samy nirehareha noho izay noheveriny ho fahendrena , kanjo fahendren’ olombelona no nananany (Filozofia). Tsy nahafoana ny fitondrantena adala sy mahavoafady izany . Toy izany koa na dia amin’izao andro ankehitriny izao dia maro no mihevi-tena ho hendry sy mahay mitondra tena nefa tsy miraharaha ny Tenin’ Andriamanitra . »Nilaza ho hendry ny olona , nefa tonga adala » (and22-DIEM). Ao amin’ Andriamanitra irery ihany no misy ny tena fahendrena . Raha tsy eo ny Tenin’ Andriamanitra dia arakaraka ny hitomboan’ny fahalalana sy izay heverina ho fandrosoana no vao mainka mampitombo ny fahadalan’ny olona , ka mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Inona no mahatonga ny olona sasany ho manam-pahaizana kanefa tsy manam-pahendrena ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV