SP 12/FJKM Vilihazo Fanantenana

Rihana indray ny manaraka taorian’ny fanitarana

Tao anatin’ny fankalazana ny faha-70 taonan’ny Fjkm Vilihazo Fanantenana,SP Antananarivo atsinanana, dia ezaka rihana indray no miandry ny mpino kristiana ankehitriny. Ny 25  Desambra 2019 lasa teo no nifarana ny taon-jobily ary mitohy ny ezaka manomboka amin’ity taona vaovao 2020 ity. Raha tsiahivina, dia tamin’ny taona 2014 no nitsiry ny hevitra fa hanitatra fiangonana satria mitombo ny mpino ka tsy antonona ny fiangonana intsony. Natomboka ny fanitarana ka tapaka ny hevitra fa horavana ny fiangonana fa ny tilikambo sisa mijanona. Nizara dimy ny asa  tamin’izany, ka teo ny ezaka fototra, ny ezaka rihana ary ny farany dia ny ezaka tafo.  Somary nihisatra nefa ny asa ka ny faran’ny taona 2019  vao vita izany . Nandaniana vola mitentina 1  miliara mahery ny  fanitarana na dia teo aza ny asa tanamaro sy ny tonona samihafa avy amin’ny malala-tànana. Matotra ny fiaraha-miasa teo amin’ny reni-fiangonana sy ny  zanaka ampielezana  ka nahatontosana ny ezaka fanitarana hatramin’ny farany . Na izany aza nefa, raha ny nambaran’ny filohan’ny zanaka ampielezana, Rakotojaofeno Petera dia mbola asa miandry ny manodidina ny fiangonana, ny  tokontany ary ny fanatsarana samihafa ihany koa. Nandritry ny famaranana ny fankalazana ny 25 Desambra lasa teo no nifampaherezan’ny mpino kristiana sy ny  zanaka ampielezana fa  mitohy ny asa  ary tsy maintsy tanteraka ny vinan’ny Fjkm manao hoe : “Vontosy filazantsara ny Nosy Madagasikara”, ka an’isan’izany ny Fjkm Vilihazo Fanantenana.

FJKM VILIHAZO FANANTENANA

Jaona Raoly

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV