Hafatry ny Filoha /Jan 2020.

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Ka mba hampirindra izany,

ny fiofanana nomena

tamin’ny teny sy ny boky,

aza avalona any am-bata.

Fa saintsaino, ivereno,

Dia aza avela raha tsy tonga

Tetikasa maty paika

Irosoana mba hatao.

Ary rehefa tena atao

Ny asa tsara nokasaina,

dia tohizo fa aza miato

eny an-tenantenan-dalana.

Akao lesona ny lasa

Hoenti-manatsara hatrany.

Raha sendra tojo sakan-dala-

nahasembana ny dia,

dia aza mihemotra, sakaiza,

fa sikino ny herim-po,

tohano vavaka ny asa,

dia mandrosoa aloha kokoa!

Midadasika ny saha

Ka tsy vita indray mandeha,

ary na dia ny efa vita

aza mbola ilana ihany

hiverenana hasaina

ho tany lonaka tokoa!

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV