Alahady 14 Desambra 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO

Matio 4.12-25

Asehon’ny mpanoratra ny Filazantsara fa miainga amin’ny drafitra mazava ny asa fanompoan’i Jesoa.

1-Mahazo anjara masoandro avy amin’i Jesoa i Nazareta , tanàna nahabe Azy (and12-17) mba tsy ho « tompontrano mihono » amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra . Ireo tanàna nambaniana no nanombohan’i Jesoa ny asany mba hasandratra sy omem-pahasoavana . Ny hafatra lehibe ampitain’i Jesoa dia antso tokana , dia ny FIBEBAHANA , izay fiovam-po amam-piainana mahery vaika , fepetra takiana amin’ny fandraisana ny famonjena sy fidirana amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

2-Ny niantsoan’i Jesoa ny mpianatra (and18-22)

Marihana fa lehilahy avy any Galilia , avy amin’ny tany maizina sy nambanian’olona (tambanivohitra) ny ankamaroany , ary olona tso-po amam-piainana , vonon-kanaraka tsy misy fepetra .Nantsoina ho iraka izy ireo ka tsy maintsy hahafoy ireo tombotsoa nahazatra (asa, ankohonana, filaminam-piainana).

3-Ny asa nataon’i Jesoa (and22-25)

Nitory ny Filazantsaran’ny fanjakan’ Andriamanitra Izy. Tsy fampitam-baovao fotsiny fa fampidirana vanimpotoana vaovao izay hanehoana an’ Andriamanitra miasa , manafaka ary manome fianam-baovao ny olony . Ny asa mahagaga dia marik’izany fanatrehan’ Andriamanitra izany mba hanome fiainana feno.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » boky faha-6

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV