Zoma 06 Desambra 2019.
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 51.1-32
Efa nanomboka voateny ny firenena Babylona tao amin’ny Jer 49.31. Kaldeana kosa no iantsoana ny mponina ao aminy . I Nebokadnezara no mpanjakany. Manondro an’i Babylona avokoa ireo teny telo ireo .
1-Mamely an’i Babylona ny Tompo
Faharavana , famaizana , fandringanana no azeran’ny Tompo aminy .Nangoniny ny fanjakan’i Ararata , i Miny , i Askenaza hamely azy . Ny lehibe indrindra tamin’ireny dia ny Mediana (and11,27) . Tsy misy fanavotana mihitsy ho an’i Babylona . Inona nomba azo antenaina amin’izany andro famaliana azy izany ? Sabatra sy fandringanana.
2-Velona ny fanantenan’ilay firenena babo
Ny mifanohitra amin’izany kosa ho an’Israely sy i Joda. Mafy ny nanjo azy ireo tany am-pahababoana . Nalemy tanteraka izy . Manazava ny fihetsehampo niainan’izy ireo tany Babylona ny Salamo 137. Mahery anefa ny mpanavotra azy izay nitondra azy nivoaka avy tany Babylona .
Dia tanteraka eto ny Sal 66.10-12 hoe: « Fa efa nizaha toetra anay ianao Andriamanitra ô, efa nanadio anay ianao , tahaka ny fanadio volafotsy amin’ny memy. Efa nampiditra anay tamin’ny fandrika ianao . Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay ianao . Nandeha namaky ny afo sy rano izahay , fa nitondra anay nivoaka ho amin’ny fitahiana mahatretrika ianao « .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-6