Alahadin’ny Sekoly Alahady 2019.

Fandaharana iombonana (Litorjia 3)

(Mitsangana )

1-Hira faneva faha-200 Sekoly FJKM

2-Fiarahabana apostolika

3-Fiderana an’ Andriamanitra

Salamo 8- Hira 785-Vavaka fiderana

(mipetraka)

4-Fankalazana ny Tenin’ Andriamanitra

Hira 790

Fampianarana ho ann’y SSA sy ny tanora

Hira: 117:1,4

vavaka alohan’ny vakiteny

Vakiteny ( Joba 36.5-15/Lio 11.27-28/2 Tes 3.6-16 )

(mitsangana)

Hira 786.1-3

(mipetraka)

TORITENY

« Sambatra ny mahitsy làlana…

Vavaka setrin’ny Tenin’ Andriamanitra

Hira 775.1,3,4

(mitsangana)

Teny famelankeloka

Mpitarika :Isaia 54.10/1 Jao 2.1-2

sambatra ny olona iza voavela ny helony ...

Hira 799

5-Fanekempinoana faha-2

(mipetraka)

Feonjavamaneno

6-Raharahan’ny Fiangonana

-eo an-toerana

-Hafatra avy amin’ny Sekoly Alahady

7-Rakitra : Hira 808;768

8-Fanolorana ny Rakitra / Hira : 441.1,3

9-Famaranana

Vavaka fangatahana+Rainay izay any an-danitra …

Tsodrano (1Sam 25.6)

Hira 776 (mitovy @ 190)

(mipetraka)

vavaka mangina

Trinite masina

……………………………………………………………………………………………………………………………

HAFATRY ny ZAIKABE faha-XIII

natao teto Fenoarivo Atsinanana

SP 02 -Afovoany Atsinanana Vaovao ny 26-29 Sept 2019

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika .

Notanterahina teto Fenoarivo Atsinanana , SP Afovoany Atsinanana vaovao (SP 02) ny Zaikabe faha-XIII ny Sampana Sekoly Alahady FJKM , izay fahefana faratampony eo anivon’ny Sampana , namaritana izay
ho fiainan’ny Sampana Sekoly Alahady mabdritra ny efatra taona manarak indray,izay nafatoka tamin’ny teny faneva manao hoe: »Sekoly Alahady miaina amin’ny Tenin’ Andriamanitra, sahy mijoro ho
vavolombelon’i Jesoa Kristy
« 

Nanamarika ity Zaikabe ity  ny fanomezan-danja manokana ny fiaraha-mandinika Soratra masina . Isaorana indrindra  Andriamanitra izay  namaly vavaka  satria  dia voasolo tena tamin’ity Zaikabe  ity avokoa ny SP rehetra  afa-tsy ny Synodamparitany  Kristy Fihavanantsika  Avaratra Atsinanana laharana faha-16 sy ny  Synodamparitany Maevatsara laharana
faha- 20  ary ny SP Sofia Andrefana laharana faha-30 .

Nofaritana tao anatin’ny  Zaikabe izao fanatsarana ny boky lesona  ho an’ny sokajy  lehibe sy fampandehanana ny SAMM
. Ho fanavaozana sy ho fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ny sampana dia nasiam-panitsian ihany koa ny sasantsasany  amin’ireo  andinin’ny
fitsipika fototra sy fitsipika anatiny mifehy  ny Sampana Sekoly Alahady  .

Notanterahin’ny Zaikabe faha-XIII ihany koa ny fanavaozana ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Foibe Sekoly Alahady izay hitantana ny sampana mandritry ny efa-taona (2019-2023).

Ireto avy  àry  ireo  Tomponandraikitra vaovao  ireo :

Filoha :RAKOTOARISOA Heritiana Kaleba , Mpitandrina

-Filoha mpanampy :RAKOTONDRASOA Harijaona, Mpitandrina

Filoha mpanampy :RAKOTONARY
Mamihasimanana Miditsoanirina

-Mpitantsoratra rakitsoratra :
RAJOSOA Mamy Barinarivo , Mpitandrina

Mpitantsoratry ny vola : RAVELONARIVO Cyriaque , Mpitandrina

-Mpitahiry  vola : RASOANIAINA Sylvia Joeline

Mpanolotsaina / ANDRIAMAMPIANINA Zo Nantenaina,
Mpitandrina

Tonia :RAZAKARIVONY Charlot Patricien, Mpitandrina

Mpandinibola :

-RABEMANANTSOA Solofo Rianaina,
Mpitandrina

RAKOTOARIVELO Andriamanantena ,Mpitandrina

TSARAMONINA James Eric, Mpitandrina

Nankatoavina nandritra izao Zaikabe izao ihany koa  ny solotenan’ny SP 38 handrafitra ny Komity Foiben’ny Sampana Sekoly Alahady.

Manolotra fisaorana ho antsika rehetra nanana anjara tamin’izao Zaikabe izao :

-Ny Filoha sy ny Biraon’ny Mpaindraikitra Foibe izay nahatonga solontena an’ Atoa RAMAMONJIARISOA Georges Henri , Filoha mpanampin’ny FJKM sy Atoa RAKOTONINDRAINY Jaona , Mpit , Tonian’nyDepartemantan’ny  Fiangonana izay nanatrika feno ny  fotoana sy  nitarika ny fanavaozana ny tomponandraikitra ary  nanokatra ny Zaikabe faha-XIII

-Ny  solotenan’ny  Mpiandraikitra  Foibe mpiahy ny Sampana Sekoly Alahady  , Atoa ANDRIANOMENJANAHARY  Livanirina

-Ny Prezida Synodaly sy ny Sampana Sekoly Alahady  SP rehetra .

-Ny Biraon’ny  Zaikabe izay  notarihan’Atoa RAKOTOTIANA Fidimanana , Mpitandrina  izay filohany , ny mpizaika rehetra samy tsy nitandro  hasasarana ka nanao  ny ainy tsy ho zavatra nandritra ny fotoanan’ny Zaikabe .

-Ireo  izay nitrotro  am-bavaka tsy tapaka ny Zaikabe .

Noho ny fanantenana  velona omen’i Jesoa Kristy Tompo  antsika dia mino  isika rehetra ry havana malala fa hery , ainga ary  fitiavana vaovao  indray no ho entintsika Sampana Sekoly Alahady  mamakivaky  ny efatra taona manaraka aorian’ity Zaikabe ity  ka handroso hatrany  isika , hiray  fo  sy
saina hiara-miezaka ho fampandrosoana ny asa fitoriana ny Filazantsara .

« Ary mbola irinay ianareo  rehetra samy haneho  izany fahazotoana
izany  mba hahazo  ny fahatokiana be ny  amin’ny fanantenana hatramin’ny farany , mba tsy hiketraka ianareo  fa hanahaka ireo  mandova araka ny teny  fikasana amin’ny finoana sy ny faharetana
» (Heb 6.11-12).

Manao veloma finaritra ao  amin’nyTompo  

Fenoarivo atsinanana faha-29 Septambra 2019

Ny Filohan’ny Sampana Sekoly Alahady

RAKOTOARISOA Heritiana Kaleba ,Mpitandrina

Ny Filohan’ny Zaikabe

RAKOTOTIANA Fidimanana , Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV