Alatsinainy 18 Novambra 2019.
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 38.1-13
Halan’olo fa tian-janahary
1-Halan’olona tokoa i Jeremia
Noho ny faminaniana nataony dia tsy faly tanteraka taminy i Safatia sy Jokala ary iPasora . Niezaka izy ireo mba handresy lahatra ny mpanjaka Zedekia mba hamonoana an’i Jeremia . Notanterahin’izy ireo ny teti-dratsiny noho ny filazan’i Jeremia fa ho levona ny tanàna . Nalatsany tany anaty lavadrano i Jeremia . Moa tsy tandindon’ny fankahalana namonoantsika an’i Jesoa ve izany ka tsy namelantsika raha navarina tany amin’ny fiainan-tsy hita Izy ?
2-Tian’ Andriamanitra i Jeremia
Etiopiana iray no nahare izao fikasana hamono an’i Jeremia izao ka nanao tatitra tany amin’ny mpanjaka , izay nandidy ny amin’ny hanavotana an’i Jeremia . Tsaroana amin’izany ny fiarovan’ Andriamanitra ny olony , izay mampiasa izay azony ampiasaina mba hitondra famonjena ho an’ny mpanompony . Vitan’i Jeremia tononkira mihitsy izay zava-nanjo azy izao ao amin’ny Fitomaniana 3.52 . Nanome toky azy Andriamanitra hoe: »Aza matahotra » . Mahavonjy tokoa ny Andriamanitra izay ivavahantsika . Matokia Azy . Vakio ny Isa 54.17.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6